bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 16
1 Corinthians 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina dia mba manaova koa ianareo, toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia.
2
Amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia samia manokana tahiry any an-tranony avy araka izay azony atao fanomezana mba tsy ho amin’ny fahatongavako vao hatao ny fanangonana izany.
3
Rehefa tonga aho dia izay olona ankasitrahanareo no hirahiko, mitondra taratasy, hanatitra ny fanomezanareo ho any Jerosalema.
4
Ary raha tokony handeha ho any koa aho dia hiaraka amiko ireo.
5
Hankaty aminareo aho rehefa avy mamakivaky an’i Makedonia, fa hamakivaky an’i Makedonia mantsy aho;
6
angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hamatsianareo ahy any amin’izay halehako.
7
Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny aho ankehitriny; fa manantena hijanona elaela any aminareo aho raha sitrapon’ny Tompo.
8
Nefa hijanona any Efesosy aho mandra-piavin’ny Pentekosta;
9
fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
10
Rehefa tonga i Timoty dia tandremo mba tsy hanan-tahotra izy eo anivonareo; fa ny asan’ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
11
Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa vatsio tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ny rahalahy sasany aho.
12
Ary ny amin’ny rahalahy Apolosy dia niangavy azy fatratra aho hiaraka amin’ny rahalahy hankaty aminareo, nefa tsy sitrapony mihitsy ny handeha izao; fa ho avy ihany izy rehefa misy andro mahalalaka azy.
13
Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.
14
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana!
15
Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy fa voaloham-bokatr’i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
16
mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
17
Faly aho noho ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fortonato ary i Akaìko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
18
fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.
19
Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Azia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ny Tompo i Akoila sy i Prisila mbamin’ny fiangonana izay ao an-tranony.
20
Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
21
Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
22
Raha misy tsy tia ny Tompo dia aoka ho voaozona izy! Marana ta.
23
Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo.
24
Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16