bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 4
1 Corinthians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
1
Koa aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitantana fananana ny amin’ny zavamiafina izay an’Andriamanitra izahay.
2
Ary raha izany, izay ilaina amin’ny mpitantana fananana dia ny ho mahatoky.
3
Fa raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy velively, na hotsarainareo aho na hotsarain’olona; fa ny tenako aza dia tsy mitsara ahy.
4
Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no mitsara ahy.
5
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.
6
Izany zavatra izany, ry rahalahy, dia nataoko oha-teny noho ny aminareo, mba hilazana ahy sy i Apolosy, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho izay voasoratra ianareo ka tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny iray na hanevateva ny iray hafa kosa.
7
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
8
Efa afa-po sahady ianareo, efa manankarena sahady ianareo, efa manjaka tsy miaraka aminay ianareo; kanefa hay tsy izahay akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka hanjaka tokoa ianareo mba hiarahanay manjaka aminareo koa!
9
Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidiny izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka ho faty; fa izahay dia natao ho fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona.
10
Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! Izahay dia malemy fa ianareo no mahery! Ianareo dia manan-daza fa izahay no mavomavo!
11
Mandraka ankehitriny izao dia noana, mangetaheta, tsy manan-kitafy, asiana totohondry ary tsy manam-ponenana izahay;
12
misasatra miasa amin’ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay dia misaotra; raha enjehina dia miaritra;
13
raha endrikendrehina dia mamaly amin’ny fahalemem-panahy kosa; atao toy ny fakofakon’izao tontolo izao izahay, dia fakon’olona rehetra, mandraka ankehitriny.
14
Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
15
Fa na manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo dia tsy maro akory ny rainareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny Filazantsara.
16
Koa mandrisika anareo aho: Manahafa ahy ianareo.
17
Noho izany dia nirahiko ho any aminareo i Timoty, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, koa izy no hampahatsiaro anareo ny fombam-piainako rehetra ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
18
Fa mirehareha ny sasany ary ohatry ny hoe tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
19
Ho avy any aminareo haingana anefa aho, raha sitrapon’ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
20
Fa tsy amin’ny teny ny fanjakan’Andriamanitra fa amin’ny hery.
21
Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16