bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 3
1 Corinthians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
1
Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy.
2
Ronono no nomeko anareo fa tsy ventin-kanina satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, tsy mbola matanjaka aza mandraka ankehitriny
3
fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?
4
Fa raha hoy ny iray: Izaho dia an’i Paoly, ary ny iray kosa: Izaho dia an’i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
5
Fa inona moa i Apolosy, ary inona moa i Paoly? Mpanompo ihany izy ireo, izay nahatonga anareo ho mpino, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy.
6
Izaho no namboly, i Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo.
7
Koa tsinontsinona izay mamboly, na izay manondraka, fa Andriamanitra, izay mampitombo, no tena izy.
8
Iray ihany ny mpamboly sy ny mpanondraka; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy ireo.
9
Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
10
Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy dia tahaka ny fanaon’ny mpanao mari-trano hendry no nametrahako ny fanorenana, fa olon-kafa no mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
11
Fa tsy misy mahay mametraka fanorenana hafa afa-tsy izay efa eo, dia Jesosy Kristy.
12
Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana,
13
dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.
14
Raha maharitra ny asan’ny olona izay narafiny teo amboniny dia handray valim-pitia izy.
15
Raha levon’ny afo ny asan’ny olona dia ho maty antoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany.
16
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?
17
Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
18
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry.
19
Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra; fa voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy» (Job 5.13).
20
Ary izao koa: «NY TOMPO mahalala ny fihevitry ny hendry, fa zava-poana izany» (Sal 94.11).
21
Koa aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra,
22
na i Paoly, na i Apolosy, na i Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy. Izany rehetra izany dia anareo;
23
ary ianareo dia an’i Kristy, ary Kristy an’Andriamanitra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16