bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 14
1 Corinthians 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
1
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zavatra ara-panahy koa, indrindra fa ny haminany.
2
Fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’olona fa amin’Andriamanitra; fa amin’ny fanahy no itenenany zavamiafina ka tsy misy olona mahazo izay lazainy;
3
fa izay maminany kosa dia miteny amin’olona ho fampandrosoana sy ho fampirisihana ary ho fampiononana.
4
Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa dia mampandroso ny fiangonana.
5
Tiako raha samy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ianareo rehetra; kanefa aleo maminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ny fiangonana fampandrosoana.
6
Raha mankeo aminareo aho izao, ry rahalahy, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo amin’izany raha tsy fanambaràna, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana, no hitenenako aminareo?
7
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina izany na lokanga, na dia maneno aza ka tsy mamoaka feo samihafa, ahoana no hahafantarana izay feo ataony, na an’ny sodina izany na an’ny lokanga?
8
Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
9
Dia toy izany koa ianareo: Raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany dia hiteny amin’ny rivotra ianareo.
10
Misy fiteny samihafa eto amin’izao tontolo izao ka samy manana ny heviny avy ireny.
11
Koa raha tsy mahalala ny hevitry ny fiteny aho dia ho vaka amiko izay miteny, ary izaho kosa dia ho vaka amin’izay miteny.
12
Ary toy izany koa ianareo: Raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.
13
Koa aoka izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.
14
Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho dia ny fanahiko ihany no mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko.
15
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka miaraka amin’ny fanahiko aho no hivavaka miaraka koa amin’ny saina; sady hihira miaraka amin’ny fanahy aho no hihira miaraka amin’ny saina koa.
16
Fa raha manao fisaorana araka ny fanahy fotsiny ianao dia hataon’izay tsy mahay ahoana no hiteny Amena raha misaotra ianao satria tsy mahafantatra izay lazainao izy?
17
Marina fa misaotra ianao, nefa tsy mba nampandroso ny hafa izany.
18
Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra;
19
nefa raha ao am-piangonana dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra.
20
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ny fahalalana; raha amin’ny lolompo dia aoka ho zaza bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy lehibe.
21
Voasoratra ao amin’ny lalàna hoe: «Amin’ny olona hafa fiteny sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; nefa na amin’izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO» (Isa 28.11-12).
22
Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana ho an’ny tsy mino fa tsy ho an’ny mino; fa ny faminaniana kosa dia ho an’ny mino fa tsy ho an’ny tsy mino.
23
Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra dia samy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo?
24
Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy sady hotsarain’izy rehetra;
25
koa miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’Andriamanitra sady hilaza fa eo aminareo marina tokoa Andriamanitra.
26
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo dia misy te hihira, misy ta hampianatra, misy manana fanambaràna, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
27
Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia avelao ho roa na telo fa aza atao mihoatra noho izany ka ampifanarakarahina izy ireo; ary avelao hisy iray mandika teny.
28
Fa raha tsy misy mpandika teny dia aoka izy hangina eo amin’ny fiangonana; fa aoka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra ihany izy.
29
Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny fa aoka ho an’ny hafa ny hamantatra.
30
Fa raha misy tsindrian’ny Fanahy eo am-pitoerana dia aoka hangina kosa ny voalohany;
31
fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra mba hianaran’izy rehetra sy hampirisihana azy rehetra;
32
ary ny fanahin’ny mpaminany dia manaiky hofehezin’izy mpaminany.
33
Fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitra tompon’ny fikitranana, fa Andriamanitra tompon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny fiangonan’ny olona masina rehetra
34
dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; tsy avela hiteny izy fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ny lalàna koa.
35
Ary raha misy tiany hianarana dia aoka izy hanontany ny lahy rehefa tonga any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
36
Avy aminareo va no niavian’ny tenin’Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
37
Raha misy milaza azy ho mpaminany na mihevi-tena ho ara-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho anareo.
38
Fa raha misy tsy mahalala dia avelao izy tsy hahalala.
39
Koa amin’izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra;
40
kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16