bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 8
1 Corinthians 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
1
Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana no mampandroso.
2
Fa raha misy mihevitra ny tenany ho mahalala zavatra dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
3
Fa raha misy tia an’Andriamanitra dia izy no fantany.
4
Ary ny amin’ny mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.
5
Fa na dia misy aza lazaina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany, toy ny hoe misy andriamanitra maro sy tompo maro,
6
amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
7
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy.
8
Fa tsy ny hanina akory no hampifanakaiky antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika dia tsy mahazo tombony.
9
Tandremo anefa, fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana izany fahafahanareo izany.
10
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy finoana hihinana izay hena naterina tamin’ny sampy koa va izany?
11
Fa very noho ny fahalalanao ny malemy finoana, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesany!
12
Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy finoana dia manota amin’i Kristy ianareo.
13
Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko dia tsy hihinana izay hena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16