bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 12
1 Corinthians 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
1
Ny amin’ny zavatra ara-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo izany.
2
Fantatrareo fa fony Jentilisa ianareo dia noentina tany amin’ny sampy moana, araka izay nitaomana anareo.
3
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka miteny hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
4
Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana nefa ny Fanahy dia iray ihany.
5
Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo dia iray ihany.
6
Zarazaraina ho samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
7
Ary ny tsirairay dia samy nomen’ny Fanahy hahay mampiseho amin’ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavana.
8
Fa ny iray dia nomen’ny Fanahy teny fahendrena; ny iray dia teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany;
9
ny iray dia finoana, amin’izany Fanahy izany ihany; ny iray dia fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany;
10
ny iray dia ny manao fahagagana; ny iray dia ny maminany; ny iray dia ny mahafantatra fanahy samihafa; ny iray dia ny miteny amin’ny fiteny samihafa tsy fantatra; ary ny iray dia ny mandika fiteny tsy fantatra.
11
Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
12
Fa tahaka ny tena iray ihany kanefa maro ny momba azy, ary ireo rehetra momba ny tena ireo na dia maro aza dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
13
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
14
Nefa tsy iray ny momba ny tena fa maro.
15
Raha hilaza ny tongotra hoe: Satria tsy tanana aho dia tsy mba momba ny tena, amin’izany va dia tsy momba ny tena izy?
16
Raha hilaza ny sofina hoe: Satria tsy maso aho dia tsy mba momba ny tena, koa amin’izany va dia tsy momba ny tena izy?
17
Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza izay fanamboloana?
18
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena samy ho eo amin’ny tena, araka ny sitrapony.
19
Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
20
Fa maro ny momba ny tena nefa ny tena dia iray ihany.
21
Ary tsy mahazo milaza amin’ny tanana ny maso hoe: Tsy mila anao aho; tsy mahazo milaza amin’ny tongotra ny loha hoe: Tsy mila anareo aho.
22
Fa vao mainka aza ilaintsika ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
23
Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
24
fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
25
mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
26
Ary raha mijaly ny iray amin’ny momba ny tena dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny iray amin’ny momba ny tena dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
27
Ary ianareo no tenan’i Kristy ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy.
28
Ary teo amin’ny fiangonana dia izao no nanendren’Andriamanitra azy: Voalohany apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, asa fanampiana, fitondrana ary fiteny samihafa tsy fantatra.
29
Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
30
Manana fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
31
Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra. Ary indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16