bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 11
1 Corinthians 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
1
Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.
2
Mankasitraka anareo aho satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana voatolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3
Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.
4
Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5
Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy amin’izany.
6
Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7
Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8
Fa tsy ny vehivavy no niavian’ny lehilahy; fa ny lehilahy no niavian’ny vehivavy.
9
Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ny lehilahy.
10
Izany no tokony hitondran’ny vehivavy mari-pahefana eo amin’ny lohany, noho ny amin’ny anjely.
11
Kanefa ao amin’ny Tompo dia tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
12
Fa toy ny niavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy dia toy izany koa no niavian’ny lehilahy avy tamin’ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no niavian’ny zavatra rehetra.
13
Aoka ianareo ihany no hitsara izao: Mety va raha mivavaka amin’Andriamanitra ny vehivavy ka tsy misaron-doha?
14
Tsy mampianatra va ianareo fa, araka ny fomba naharina azy, raha lava volo ny lehilahy dia mahafa-boninahitra azy izany?
15
Fa raha lava volo kosa ny vehivavy dia voninahitra ho azy izany, fa ny volo no nomena azy ho fisaromana.
16
Fa raha misy olona toa tia manohitra dia tsy fanaontsika izany sady tsy fanaon’ny fiangonan’Andriamanitra.
17
Amin’izao didy ataoko aminareo izao dia tsy mankasitraka anareo aho tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo fa hiharatsy.
18
Fa voalohany indrindra, rehefa miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19
Fa tsy maintsy misy fisarahan-tsaina eo aminareo mba ho hita eo aminareo izay olona voazaha toetra.
20
Koa rehefa miangona ianareo dia tsy fihinanana ny Fanasan’ny Tompo akory no ataonareo.
21
Fa rehefa mihinana ianareo dia samy homana ny sakafony avy aloha; koa ny iray dia noana fa ny iray kosa dia mamo.
22
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hankasitraka anareo va aho? Tsia, tsy hankasitraka anareo amin’izany aho.
23
Fa efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa aho, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina izay namadihana Azy iny dia nandray mofo,
24
ary rehefa nisaotra Izy dia novakiny ilay mofo ka hoy Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
25
Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, ary hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
26
Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
27
Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.
28
Fa aoka ny olona handini-tena, vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka.
29
Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany raha tsy mamantatra ny tenan’ny Tompo izy.
30
Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo ary efa maro aza no nodimandry.
31
Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika dia tsy mba hotsaraina.
32
Fa raha tsaraina isika dia ahitsin’ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao.
33
Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa.
34
Ary raha misy olona noana dia aoka izy hihinana any an-tranony mba tsy ho meloka ianareo raha miangona. Ary ny amin’ny zavatra sisa dia halamiko rehefa tonga aho.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16