bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 15
1 Corinthians 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
1
Ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny Filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
2
izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
3
Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Maty noho ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina,
4
dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
5
ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia tamin’ny roa amby folo lahy koa.
6
Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny rahalahy maherin’ny dimanjato Izy, ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny fa ny sasany no efa nodimandry.
7
Rehefa afaka izany dia niseho tamin’i Jakoba Izy, avy eo dia tamin’ny apostoly rehetra.
8
Ary ny farany tamin’izy rehetra dia izaho izay toy ny tsy tonga volana akory, dia mba nisehoany koa.
9
Fa izaho dia kely indrindra amin’ny apostoly ka tsy mendrika hantsoina hoe apostoly satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho.
10
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany nasehony tamiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nomba ahy.
11
Koa na izaho na ry zareo dia araka izany no fitorinay ary araka izany koa no ninoanareo.
12
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty?
13
Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14
ary raha tsy natsangana Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo.
15
Dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’i Kristy; nefa raha tsy atsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.
16
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17
ary raha tsy natsangana Kristy dia zava-poana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo;
18
dia very koa izay efa nodimandry ao amin’i Kristy.
19
Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
20
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry.
21
Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana dia olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty.
22
Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.
23
Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany dia izay an’i Kristy amin’ny fiaviany.
24
Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25
Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony (Sal 110.1).
26
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27
Fa «efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra» (Sal 8.6). Fa na dia lazainy aza hoe: «Ny zavatra rehetra no nampanekena», dia mazava fa tsy mba isan’izany ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra.
28
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
29
Raha tsy izany, hanao ahoana izay natao batisa hisolo ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa misolo azy?
30
Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31
Maty isanandro aho; lazaiko marina aminareo izany, ry rahalahy, satria ianareo no reharehako ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
32
Raha araka ny fijerin’olombelona no niadiako tamin’ny bibidia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty dia «aoka isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty» (Isa 22.13).
33
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara.
34
Aoka ho tonga saina tsara ary aza manota; fa tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ny sasany; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
35
Fa hisy hiteny hoe: Ahoana ary no fomba hitsanganan’ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
36
Ry adala! Izay afafinao dia tsy azo velomina raha tsy maty aloha;
37
ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-barimbazaha na voa hafa;
38
fa Andriamanitra manome azy tena araka ny sitraky ny fony, ary ny voa rehetra dia samy omeny tena mampiavaka azy avy.
39
Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ny olona, hafa ny nofon’ny biby, hafa ny nofon’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano.
40
Misy tenan’ny any an-danitra, misy tenan’ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, hafa ny an’ny etỳ an-tany.
41
Hafa ny voninahitry ny masoandro, hafa ny voninahitry ny volana, hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana iray dia hafa voninahitra noho ny kintana iray.
42
Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy amin’ny fahalovana izy, atsangana amin’ny tsy fahalovana;
43
afafy amin’ny fahafaham-boninahitra Izy, atsangana amin’ny voninahitra; afafy amin’ny fahalemena izy, atsangana amin’ny hery;
44
afafy ny tena araka ny fomban’ny mananaina, fa atsangana ny tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ny mananaina dia misy araka ny fombam-panahy koa.
45
Ary araka izany koa ny voasoratra hoe: «I Adama, olona voalohany no natao mananaina» (Gen 2.7); i Adama farany no natao fanahy mahavelona.
46
Tsy izay amin’ny fanahy anefa no voalohany fa izay amin’ny mananaina, dia izay vao amin’ny fanahy.
47
Ny olona voalohany avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48
Toy ilay avy amin’ny tany dia tahaka azy koa ilay avy amin’ny tany; ary toy izay avy any an-danitra dia tahaka azy koa izay rehetra avy any an-danitra.
49
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay avy any an-danitra koa.
50
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary tsy mandova ny tsy fahalovana ny fahalovana.
51
Indro, zavamiafina no ambarako aminareo: Tsy hodimandry avokoa isika rehetra,
52
fa vetivety, amin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary hatsangana tsy ho lo intsony ny maty dia hovana isika.
53
Fa ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana.
54
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8).
55
«Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?» (Hos 13.14)
56
Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota.
57
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
58
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16