bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 7
1 Corinthians 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
1
Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
2
Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.
3
Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy.
4
Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy.
5
Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
6
Famelana malalaka no ilazako izany fa tsy mandidy aho.
7
Fa mba tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy avy, koa ny iray dia toy izao, ary ny iray kosa dia toy izao.
8
Fa hoy aho amin’ny tsy manambady sy ny mpitondratena: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
9
Nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay.
10
Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy
11
nefa raha misy efa nisaraka dia aoka hitoetra tsy manambady izy, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lahy tsy hisaraka amin’ny vavy.
12
Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy.
13
Raha misy vehivavy manambady tsy mino, ary manaiky hitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hisaraka aminy izy.
14
Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy.
15
Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana.
16
Fa ahoana moa no ahafantaranao, Ravehivavy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, Ralehilahy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia?
17
Fa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjara nomen’ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako any amin’ny fiangonana rehetra.
18
Misy va efa voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hiova ho tsy voafora. Misy va tsy mbola voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hoforana.
19
Tsinontsinona ny famorana ary tsinontsinona ny tsy famorana; fa ny mitandrina ny didin’Andriamanitra no izy.
20
Aoka samy hitoetra eo amin’izay efa niantsoana azy ihany ny olona rehetra.
21
Nantsoina va ianao raha mbola andevo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao dia aleo hararaotina izany.
22
Fa ny andevo izay voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voaantso dia mpanompon’i Kristy.
23
Fa olom-boavidy ianareo, koa aza mety ho andevon’olona.
24
Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’izay niantsoana azy avy.
25
Fa ny amin’ny virijiny dia tsy manana didy avy amin’ny Tompo aho, nefa omeko izay hevitro araka izay niantran’ny Tompo ahy ho mahatoky.
26
Koa heveriko fa noho ny fahoriana miseho ankehitriny dia tsara amin’ny olona ny mitoetra amin’izao ihany.
27
Manambady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manambady va ianao? Aza mitady vady.
28
Nefa na dia hanambady aza ianao dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanambady aza ny virijiny dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana eo amin’ny fiainany ara-nofo ireny; fa raha izaho dia tsy ta hampiditra anareo amin’izany.
29
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, koa aoka mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin’izao sisa izao;
30
aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy;
31
ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao.
32
Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
33
Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
34
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
35
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo.
36
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony.
37
Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony.
38
Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy.
39
Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.
40
Nefa raha araka ny hevitro dia sambatra kokoa izy raha mitoetra amin’izao ihany; ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16