bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 13
1 Corinthians 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia varahina maneno sy kipantsona mikarantsana ihany aho.
2
Na dia manana ny fanahin’ny faminaniana aza aho ka mahalala ny zavamiafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
3
Na dia omeko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
4
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
6
tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,
7
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
8
Ny fitiavana dia tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana dia ho levona; raha ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra; raha ny fahalalana dia ho foana.
9
Fa sombintsombiny ny fahalalantsika ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
10
fa rehefa tonga ny tanteraka dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
11
Fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho dia nariako ny fahazazana.
12
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16