bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 2
1 Corinthians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
1
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra.
2
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, dia Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana;
3
ary izaho aza raha tany aminareo dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4
ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery
5
mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra.
6
Kanefa milaza fahendrena amin’ny efa matotra izahay, tsy ny fahendren’izao tontolo izao na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
7
fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;
8
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy dia tsy nohomboany tamin’ny hazofijaliana ny Tompon’ny voninahitra.
9
Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).
10
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.
11
Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
12
Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
13
Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay.
14
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany.
15
Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mitsara ny zavatra rehetra kanefa tsy mba tsarain’olona izy.
16
Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16