bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 6
1 Corinthians 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
1
Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, no sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina fa tsy eo anatrehan’ny olona masina?
2
Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va?
3
Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao?
4
Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
5
Ny hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve dia tsy mba misy olon-kendry na dia iray akory aza, izay mahay mandamina ny adin’ny rahalahiny eo aminareo?
6
Fa misy rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, ary izany dia ataony eo imason’ny tsy mino.
7
Efa faharesena ho anareo ny fanananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
8
Kanjo ianareo indray no manao izay tsy rariny ka manambaka ny rahalahinareo.
9
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita,
10
ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
11
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.
12
Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.
13
Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.
14
Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny.
15
Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16
Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra: «Ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
17
Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia iray fanahy Aminy.
18
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
19
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.
20
Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16