bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Corinthians 5
1 Corinthians 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 6 →
1
Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy.
2
Ary ianareo indray va no mirehareha! Ary tsy nampalahelo anareo akory izany ka mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany!
3
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao fihetsika toy izany, tahaka ny nanatrika teo ihany:
4
Amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika, rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ny herin’i Jesosy Tompontsika,
5
dia aoka hatolotra ho an’i Satana izany olona izany hanimbana ny nofony mba hahavoavonjy ny fanahiny amin’ny andron’i Jesosy Tompo.
6
Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana manontolo?
7
Esory ny masirasira tranainy mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy isian’ny masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
8
koa aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira tranainy, na amin’ny masirasiran’ny lolompo sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9
Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga;
10
nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny fatra-pitia harena sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.
11
Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo amin’izay atao hoe rahalahy kanefa mpijangajanga, na fatra-pitia harena, na mpanompo sampy, na mpanala baraka olona, na mpimamo, na mpanao an-keriny. Aza miara-mihinana akory amin’ny olona toy izany ianareo.
12
Fa ataoko ahoana moa ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
13
Fa ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16