bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 1
Exodus 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
1
Izao no anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin’i Jakôba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy:
2
Robena, Simeôna, Levỳ, Jodà.
3
Isakara, Zabolôna, Benjamina,
4
Dana, Neftalì, Gada ary Asera.
5
Fitopolo izy rehetra terak’i Jakôba; ary i Josefa efa tany Ejipta.
6
Ary maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ireo taranaka rehetra ireo.
7
Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak’i Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany.
8
Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an’i Josefa, nanjaka tamin’i Ejipta.
9
Hoy izy tamin’ny vahoakany: «Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak’i Israely.
10
Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy dia hivoaka hiala amin’ny tany.»
11
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
12
Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.
13
Nampiasain’ny Ejiptianina an-tery vozona ny zanak’i Israely,
14
nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.
15
Ary ny mpanjakan’i Ejipta niteny tamin’ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray,
16
ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»
17
Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy.
18
Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: «Nahoana ianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?»
19
Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»
20
Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.
21
Nambinin’Andriamanitra ny fianakavian’ny mpampivelona noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.
22
Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40