bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 6
Exodus 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
1
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»
2
Niteny tamin’i Môizy Andriamanitra nanao hoe: «Izaho no Iaveh.
3
Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.
4
Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa Aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahinianany sy nitoerany ho mpivahiny.
5
Nandre ny fitarainan’ny zanak’i Israely izay andevozin’ny Ejiptianina Aho, ka nahatsiaro ny fanekeko.
6
Koa lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin’ny fanompoana ny Ejiptianina Aho; hamonjy anareo amin’ny fanandevozan’izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
7
Halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo Aho, izay manafaka anareo amin’ny fanompoan’ny Ejiptianina.
8
Hampidiriko any amin’ny tany efa nianianako homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ianareo, homeko ho fanananareo izany: Izaho no Iaveh.»
9
Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.
10
Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
11
«Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»
12
Fa hoy i Môizy namaly teo anatrehan’i Iaveh hoe: «Ny zanak’i Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’i Faraôna ahy izay votsa vava ity?»
13
Dia niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ary nanafatra azy ny amin’ny zanak’i Israely, sy ny amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak’i Israely, hiala amin’ny tany Ejipta.
14
Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.
15
Zanaka lahin’i Simeôna: i Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîna, i Soara, ary i Saola, zanaka lahin’ilay vehivavy Kananeanina. Ireo no fianakavian’i Simeôna.
16
Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.
17
Zanak’i Jersôna: i Lobnì sy i Semeì isam-pianakaviany.
18
Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.
19
Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.
20
I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.
21
Zanaka lahin’Isaara: i Kôre, i Nefaga ary i Zekri.
22
Zanaka lahin’i Oziela: i Misaely, i Elisafàna ary i Setrỳ.
23
I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.
24
Zanaka lahin’i Kôre: i Asera, i Elkanà ary i Abiasafa. Ireo no fianakavian’i Kôrita.
25
I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.
26
Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy. »
27
Ireo no teniny tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Môizy io sy io Aarôna io.
28
Raha niteny tamin’i Môizy i Iaveh tany amin’ny tany Ejipta,
29
dia izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy: «Izaho no Iaveh: Lazao amin’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao.»
30
Ary izao no navalin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh: «Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan’i Faraôna ahy?»
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40