bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 31
Exodus 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
1
Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
2
«Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà.
3
Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao;
4
hanefeny volamena, volafotsy, varahina,
5
hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany.
6
Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,
7
dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;
8
ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,
9
ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany;
10
ny fanamiana amin’ny fombam-pivavahana, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, ny fanamiana ho an’ny zanany, amin’ny raharaha-mpisorona,
11
ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»
12
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
13
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho Ahy sy ianareo dia io no famantarana amin’ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa Izaho Iaveh no nanamasina anareo.
14
Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hoheloin-ko faty; izay manao asa amin’io andro io hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.
15
Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.
16
Samy hitandrina sy hankalaza ny sabata ny zanak’i Israely mbamin’ny taranaka mandimby azy, ho fanekena mandrakizay.
17
Ho famantarana mandrakizay ho Ahy sy ny zanak’i Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra.»
18
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40