bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 25
Exodus 25
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
1
Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2
«Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.
3
Izao no fanatitra horaisinareo avy amin’izy ireo: volamena sy volafotsy ary varahina;
4
jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon’osy;
5
hoditr’ondrilahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià;
6
solika hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana sy amin’ny zava-manitra fanembohana;
7
vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
8
Hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo dia honina eo aminy Aho.
9
Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»
10
«Hanao fiara hazo akasià izy; roa akiho sy sasany ny lavany, ary iray akiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny haavony.
11
Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
12
Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.
13
Hanao bao hazo akasià ianao ka hasianao takela-bolamena,
14
dia hampiditra ny bao amin’ny masom-bolamena eo an-danin’ny fiara avy, hitondrana azy.
15
Havela hijanona eo amin’ny masom-bolamena ny bao fa tsy hesorina eo.
16
Ary hataonao ao amin’ny fiara, ny vavolombelona izay homeko anao.
17
Hanao fanaovam-panavotana amin’ny volamena madio ianao, roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
18
Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;
19
ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray, ary ny kerobima iray hatao amin’ny laniny iray koa; ny kerobima dia hatao tafahoatra ny fanaovam-panavotana amin’ny laniny roa.
20
Hatao mivelatra miaraka ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin’ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana, ny tavan’ny kerobima.
21
Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.
22
Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»
23
«Hanao latabatra hazo akasià ianao; ho roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
24
Petaho volamena madio izy, ary asio tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
25
Hasiana sisiny vody voampelatanana ny manodidina azy, ka asianao tanjo-miolaka volamena manodidina izay.
26
Hanao masom-bolamena efatra ianao ka hapetrakao amin’ny zoron’ny latabatra efatra ireo masom-bolamena ireo, dia amin’ny tongony efatra.
27
Hataonao eo akaikin’ny sisiny ny masom-bolamena, fa hampidirana ny bao hilanjana ny latabatra.
28
Hazo akasià no hanaovanao ny bao ary hasianao takela-bolamena; dia hitondrana ny latabatra ireo.
29
Dia hataonao ny loviany, ny vata kely fitoeran-java-manitra, ny kôpy aman-tasiny hanaovana ny fanatitra araraka; ka volamena madio no hanaovanao izany.
30
Hasianao ny mofo alahatra, izay ho eo anatrehako mandrakariva eo ambony latabatra.»
31
«Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,
32
ka hasianao rantsany enina maniry amin’ny laniny; ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray, ary ny rantsany telo, avy amin’ny laniny iray.
33
Ny rantsany voalohany dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia bokony sy voniny; ny rantsany faharoa dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia ho toy izany avokoa ny rantsany enina avy, amin’ny fanaovan-jiro.
34
Ny tahon’ny fanaovan-jiro hisy ravim-boninkazo efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny.
35
Hisy bokony iray eo ambanin’ny rantsana roa voalohany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa manarakaraka, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, ary bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa farany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, araka ny rantsany enina, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro.
36
Ho fonjany iray ihany amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio.
37
Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hitaingina eny amin’ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloany.
38
Ataovy volamena madio ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony.
39
Volamena madio talenta iray no hanaovana ny fanaovan-jiro sy ny fanaka rehetra momba azy.
40
Jereo ka ataovy araka ny marika aseho anao ao an-tendrombohitra.»
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40