bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 18
Exodus 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 19 →
1
Ren’i Jetrô, mpisorona ao Madiàna, rafozan’i Môizy, ny soa rehetra nataon’Andriamanitra tamin’i Môizy sy i Israely vahoakany, ny namoahan’i Iaveh an’i Israely tany Ejipta.
2
Nentin’i Jetrô rafozan’i Môizy, i Sefôrà, vadin’i Môizy, izay efa nampodiany,
3
mbamin’ny zanak’i Sefôrà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama, fa hoy i Môizy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho»,
4
ary ny iray natao hoe: Eliezera, fa hoy izy: «Novonjen’ny Andriamanitry ny raiko aho, fa nafahany tamin’ny sabatr’i Faraôna.»
5
I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;
6
ka nampilaza tamin’i Môizy hoe: «Tonga atỳ aminao aho, izaho Jetrô rafozanao mbamin’ny vadinao sy ny zanany roalahy miaraka aminy.»
7
Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.
8
Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy.
9
Ka faly i Jetrô noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Israely sy ny nanafahany azy tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.
10
Ary hoy i Jetrô: «Hisaorana anie i Iaveh izay nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.
11
Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny Izy, raha nampahory an’i Israely ny Ejiptianina.»
12
Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin’Andriamanitra i Jetrô, rafozan’i Môizy. Ary i Aarôna mbamin’ny loholon’i Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin’ny rafozan’i Môizy avokoa teo anatrehan’Andriamanitra.
13
Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka i Môizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ny vahoaka.
14
Nony nahita izay rehetra nataon’i Môizy tamin’ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: «Inona ity ataonao amin’ireo olona ireo? Nahoana no ianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?»
15
Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.
16
Raha manana ady izy ireo, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn’Andriamanitra.»
17
Fa hoy ny rafozan’i Môizy taminy: «Tsy tsara izao ataonao izao.
18
Handreraka anao sy ny vahoaka izay eto aminao mihitsy izao, satria asa tsy eran’ny ainao izao, ka tsy vitanao samy irery.
19
Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra ianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny vahoaka eo amin’Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan’Andriamanitra.
20
Ampahafantaro azy ireo ny fitsipika aman-dalàna, atoroy azy ny lalana tsy maintsy ombany, sy izay tsy maintsy ataony.
21
Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.
22
Izy no hitsara ny vahoaka mandrakariva: ny raharaha lehibe hoentiny eo anatrehanao; ny raharaha madinika kosa hotapahin’izy ireo ihany. Hamaivano ny raharaha entinao, ary aoka izy ireo hiara-mitondra aminao.
23
Raha manao izany ianao ka hatoron’Andriamanitra anao koa izay didiny, dia hahazaka izany ianao ary ny vahoaka koa ho tonga soa aman-tsara amin’izay halehany.»
24
Neken’i Môizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy;
25
fa nifidy izay lehilahy mahay tamin’i Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin’ny vahoaka ireo ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo.
26
Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan’i Môizy; ny raharaha madinika notapahin’izy ireo ihany.
27
Nanao veloma ny rafozany i Môizy, dia lasa nody any amin’ny taniny i Jetrô.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40