bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 40
Exodus 40
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
1
Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy ka nanao hoe:
2
«Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.
3
Hapetrakao ao ny fiaran’ny vavolombelona ka hokoboninao amin’ny lamba.
4
Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny.
5
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
6
Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.
7
Hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, ka hasianao rano.
8
Hatsanganao ny kianja manodidina dia hataonao amin’ny kianja ny vavahady lamba.
9
Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin’izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy.
10
Hanosotra ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ianao, hanamasina ny ôtely, dia ho masina indrindra ny ôtely.
11
Hanosotra ny tavy amam-paladiany ianao dia hanamasina azy.
12
Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.
13
Raha efa izany dia hatafinao an’i Aarôna ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy.
14
Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny tonîka,
15
dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin’ny taranany mandimby azy.»
16
Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany.
17
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana.
18
Natsangan’i Môizy ny Fonenana; naorina ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany, dia natsangany ny andriny.
19
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
20
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
21
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
22
Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana, atỳ ivelan’ny efitra lamba,
23
dia nalahany eo amboniny, teo anatrehan’i Iaveh ny mofo, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
24
Nataony teo an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana,
25
dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
26
Napetrany tao an-trano lay fihaonana, anoloan’ny efitra lamba, ny ôtely volamena,
27
dia nandoroany emboka, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
28
Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
29
Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
30
Napetrany teo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana;
31
ary nanasa ny tanany sy ny tongony teo i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany.
32
Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
33
Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely izy, sy nanantona ny lamba amin’ny vavahadin’ny kianja. Toy izany no nahavitan’i Môizy izany raharaha izany.
34
Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.
35
Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.
36
Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,
37
fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.
38
Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40