bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 24
Exodus 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
1
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.
2
I Môizy irery no hanakaiky an’i Iaveh, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy».
3
Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».
4
Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
5
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’i Iaveh izy ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
6
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
7
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena ary novakiny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: «Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.»
8
Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: «Ity no ran’ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo momba izany teny rehetra izany.»
9
Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely,
10
ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.
11
Tsy naninjitra ny tanany tamin’ireo olom-boafidin’ny zanak’i Israely izy: dia nahita an’Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro.
12
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»
13
Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.
14
Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»
15
Niakatra tao an-tendrombohitra i Môizy, ary nosaronan’ny rahona ny tendrombohitra.
16
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.
17
Toy ny afo midedadeda teo antampon-tendrombohitra no fisehon’ny voninahitr’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.
18
Niditra tao anatin’ny rahona i Môizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina i Môizy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40