bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 38
Exodus 38
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 39 →
1
Hazo akasià no nanaovana ny ôtely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny haavony.
2
Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin’ny ôtely, sy nopetahiny takela-barahina ny ôtely.
3
Nataony avokoa ny fanaka momba ny ôtely: ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an’ireo fanaka rehetra ireo.
4
Nanaovany karakara varahina ny ôtely, nataony toy ny harato, dia napetrany teo ambanin’ny koronosin’ny ôtely, avy eo ambany ka hatreo amin’ny fisasahany.
5
Nandrendrika masom-bola efatra izy ho eo amin’ny zorony efatra amin’ny karakara varahina, hitsofohan’ny bao.
6
Hazo akasià nopetahany varahina, no nanaovany ny bao.
7
Natsofony tamin’ny masom-bola eo an-daniny roan’ny ôtely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin’ny hazo fisaka ny ôtely.
8
Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.
9
Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy;
10
roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
11
Tamin’ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
12
Tamin’ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany.
13
Tamin’ny lafiny atsinanana anoloana, dimampolo hakiho koa.
14
Tamin’ny ilany iray, fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho, sy ny andry telo mbamin’ny faladiany telo.
15
Ary tamin’ny ilany iray, - fa samy tamin’ny ilany iray amin’ny vavahadin’ny kianja avy izy, - fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho sy ny andriny telo mbamin’ny faladiany telo.
16
Rongony madinika mihasina avokoa ny lamba rehetra namefy ny kianja;
17
varahina ny faladian’ny andry, volafotsy ny faraingo amin’ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Voakambana amin’ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin’ny kianja.
18
Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;
19
varahina ny andriny efatra sy ny faladiany efatra; volafotsy ny faraingony sy ny anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany.
20
Varahina avokoa ny tsimatra amin’ny Fonenana sy amin’ny fefin’ny kianja.
21
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
22
Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà;
23
ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.
24
Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo.
25
Ny volafotsy avy amin’ny olona voaisa tamin’ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina.
26
Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
27
Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.
28
Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin’ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin’ny koronosin’ny lohan’ny andry, ary ny anjaka itohizany.
29
Ny varahina naterin’ny olona, nahatratra talenta fitopolo ary sikla efajato amby roa arivo.
30
Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40