bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 13
Exodus 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
1
Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy ka nanao hoe:
2
«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»
3
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
4
Izao andro ivoahanareo izao dia volam-pahavokaram-bary.
5
Ary raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, izay nianianany tamin’ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin’ny volana toy izao.
6
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh.
7
Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran’ny taninao rehetra;
8
Ary amin’izay ianao hilaza amin’ny zanakao lahy hoe: ‹Fahatsiarovana ny nataon’i Iaveh tamiko, fony aho nivoaka avy tany Ejipta, izany.›
9
Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan’ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Iaveh; satria tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anao tany Ejipta.
10
Hotandremanao amin’ny fotoany, isan-taona isan-taona izany didy izany.»
11
«Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, araka ny efa nianianany taminao sy tamin’ny razanao, ka efa voatolony anao tokoa izany,
12
dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy.
13
Avoty amin’ny zanak’ondry ny voalohan-teraky ny ampondra, fa raha tsy avotanao dia folahy ny hatony; ary avoty koa ny voalohan-terak’olombelona rehetra amin’ny zanakao lahy.
14
Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.
15
Fa rehefa nikiry tsy nety nandefa anay i Faraôna dia novonoin’i Iaveh ny lahy matoa rehetra tamin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’ny olona, ka hatramin’ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin’i Iaveh sy hanavotako ny lahy matoa rehetra amin’ny zanako lahy.
16
Ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh antsika tany Ejipta.› »
17
Nony nalefan’i Faraôna nandeha ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra hihazo ny lalana amin’ny tanin’ny Filistinina, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: «Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.»
18
Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.
19
Ary nentin’i Môizy niaraka taminy ny taolam-balon’i Josefa, araka ny nampianianan’i Josefa ny zanak’i Israely hoe: «Hovangian’Andriamanitra ianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolam-baloko.»
20
Niala tao Sokôta izy ireo dia nitoby tao Etama, an-tsisin’ny efitra.
21
I Iaveh nandeha teo alohany amin’ny andry rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary amin’ny andry afo nony alina, mba ho afaka handeha, na andro na alina izy.
22
Tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona raha antoandro, sy ny andry afo nony alina.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40