bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 22
Exodus 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 23 →
1
«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»
2
«Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany;
3
fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;
4
ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».
5
«Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.»
6
«Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo aloha, izay vao mandevona amboaram-bary koa, na vary mbola tsy voajinja, na saha, dia hanonitra izay nandrehitra ny afo.»
7
«Raha misy nametra-bola na fanaka hotahirizin’ny namany, ka nangalarin’ny sasany tao an-tranon’ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,
8
fa raha tsy hita ny mpangalatra, dia hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ny tompon-trano, sao dia noraisin’ny tanany ihany ny fananan’ny namany.
9
Na inona na inona zavatra hifandirana, na omby na ampondra na fitafiana, na zavatra inona na zavatra inona very, ka lazain’ny olona hoe: Izy indrindra ity, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, ka izay hoheloin’Andriamanitra dia hanonitra avo sasaka ho an’ny namany.»
10
«Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotahirizin’ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na misy naka nefa tsy nisy nahita,
11
dia ny fianianana amin’i Iaveh no hampanaovina amin’izy roa tonta hahalalàna raha noraisin’ny tanany ny fananan’ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray.
12
Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin’ny tompom-biby izy.
13
Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy.»
14
«Raha misy olona mindram-biby amin’ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan’ny tompony, dia hisy onitra;
15
fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon’ny onitra».
16
«Raha misy lehilahy manakojikojy zazavavy tsy voafofo ka mandry aminy dia handoa ny hajam-bolany izy ka hanambady azy.
17
Ary raha lavin-drainy ny hanambadiany azy, dia ny vola fanome amin’ny zazavavy virjiny no haloany».
18
«Aza velomina izay zazavavy mpanao ody.
19
«Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby.
20
«Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.
21
«Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao.
22
«Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
23
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany;
24
hirehitra ny fahatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty.»
25
«Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.»
26
«Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
27
fa iny no hany firakofany, iny no fitafiana anaronany ny tavany, ka inona ary no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona aho.»
28
«Aza miteny ratsy an’Andriamanitra, na manozona ny filohany amin’ny firenena».
29
«Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.
30
Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin’ny andro fahavalo.»
31
«Ho olona masina ho ahy ianareo; aza mihinan-kena voaviraviram-biby hita any an-tsaha, fa atsipazo ho an’ny amboa ireny.»
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40