bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 36
Exodus 36
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 37 →
1
Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.
2
Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.
3
Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.
4
Tamin’izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin’ny raharaha nataony,
5
ka tonga teo amin’i Môizy nilaza hoe: «Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin’ny olona hahavitana ny asa nodidian’i Iaveh hatao.»
6
Ka dia nandefa teny i Môizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: «Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin’ny zavatra aterina ho an’ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony,
7
fa ampy sy manana amby ny zavatra voaangona hanaovana izay hatao rehetra.»
8
Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.
9
Valo amby roapolo hakiho no halavan’ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy rehetra.
10
Navitrana ho iray ny dimy tamin’ireo ambainy ireo, dia navitrana ho iray koa ny dimy sisa.
11
Nasiana tadivavarana jaky volomparasy ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany, dia natao toy izany koa ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana faharoa.
12
Tadivavarana dimampolo no natao tamin’ny ambainy voalohany; ary tadivavarana dimampolo koa tamin’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa, ka mifanandrify hatrany ireo tadivavarana ireo.
13
Dia jaigrafy volamena dimampolo no natao hampifanakambana ireo ambainy ireo, ka voatambatra ho iray ihany ny Fonenana.
14
Ambainy volon’osy no natao hanamboarana lay ho ao ambonin’ny Fonenana, ka natao iraika ambin’ny folo ny ambainy.
15
Telopolo hakiho no halavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho no sakan’ny ambainy iray; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy iraika ambin’ny folo.
16
Ny dimy tamin’ireo ambainy ireo no nakambana manokana, ary ny enina sisa no nakambana manokana.
17
Nasiana tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy, sisin’ny voavitrana anankiray, ary nasiana tadivavarana dimampolo koa ny vavan’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa.
18
Jaigrafy varahina dimampolo no natao hanakambana ny lay manontolo ho iray ihany.
19
Hoditr’ondralahy voasoka mena no natao firakotry ny lay, ary nisy firakotra hodi-dogaona iray koa tambonin’io.
20
Natao koa ny hazo fisaka momba ny Fonenana; hazo fisaka tamin’ny hazo akasià, natao mitsangana.
21
Folo hakiho no halavan’ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany no indrabeny.
22
Lahiny roa mifampikambana no tamin’ny hazo fisaka tsirairay; ary natao toy izany avokoa ny hazo fisaka tamin’ny Fonenana.
23
Natao ny hazo fisaka momba ny Fonenana, hazo fisaka roapolo amin’ny lafiny atsimo, ankavanan’ny Fonenana;
24
ary faladia volafotsy efapolo no natao tao ambanin’ny hazo fisaka roapolo dia faladia roa tao ambanin’ny isan-kazo fisaka amin’ny lahiny roa.
25
Hazo fisaka roapolo koa no natao amin’ny lafin’ny Fonenana faharoa, ilany avaratra,
26
nombana ny faladiany volafotsy efapolo, faladia roa tao ambanin’ny isan-kazo fisaka,
27
hazo fisaka enina no natao amin’ny faran’ny Fonenana lafiny andrefana;
28
ary hazo fisaka roa no natao amin’ny zoron’ny Fonenana ao anatiny,
29
natao roa sosona hatraty ambany ka mikambana ho iray hatrany an-tampony, mipaka amin’ny masom-bola voalohany; nataony toy izany avokoa ny hazo fisaka roa amin’ny zorony roa.
30
Ary nisy koa hazo fisaka valo samy nanana ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy, ambanin’ny isan-kazo fisaka.
31
Dia natao ny barany tamin’ny hazo akasià, dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana iray.
32
Barany dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana faharoa, barany dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana andrefana izay erỳ ivohony.
33
Ny barany afovoany nahatratra ny tendrony roa amin’ny lavan’ny hazo fisaka.
34
Nopetahana takela-bolamena ny hazo fisaka; natao volamena koa ny masom-bola nidiran’ny barany; ary nopetahana volamena koa ny barany.
35
Ny efitra lamba dia natao tamin’ny Jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, nosoratana sarin-kerobima: asa-mpanenona mahay;
36
ary nanaovana andry efatra amin’ny hazo akasià, nopetaham-bolamena, sy faraingony volamena; ary volafotsy no narendrika natao faladiany efatra.
37
Ny fidirana ho ao amin’ny lay, nanaovana varavarana lamba jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, taozavatra misoratsoratra.
38
Nanaovana andriny dimy mbamin’ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin’ireo mbamin’ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40