bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 5
Exodus 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 6 →
1
Raha efa izany, lasa nankao amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety any an’efitra.»
2
Fa hoy ny navalin’i Faraôna: «Iza moa i Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an’i Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy avelako handeha i Israely.»
3
Dia hoy izy roa lahy: «Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh, mba tsy hamely anay amin’ny pesta na amin’ny sabatra Izy.»
4
Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’izy ireo: «Nahoana ianareo, ry Môizy sy Aarôna, no mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin’ny fanompoanareo.»
5
Dia hoy i Faraôna: «Indro efa be izao ny vahoaka eto amin’ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany?»
6
Androtr’izay ihany dia nomen’i Faraôna teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe:
7
«Aza omena mololo hanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan’izy ireo no handeha hanangona mololo.
8
Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin’ny nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izay no imenomenonany hoe: ‹Maniry te-handeha hanao sorona amin’ny Andriamanitray izahay.›
9
Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin’ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao.»
10
Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Izao no lazain’i Faraôna: Tsy hanome mololo anareo intsony aho,
11
fa ianareo no mandeha mitady mololo any amin’izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza.»
12
Dia niely eran’ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo.
13
Noporitin’ny mpampiasa nataony hoe: «Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan’andro tahaka ny fony nanana mololo ianareo.»
14
Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak’i Israely, izay notendren’ny mpampiasan’i Faraôna hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: «Nahoana ianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha?»
15
Koa lasa nitaraina tany amin’i Faraôna ny mpanoratry ny zanak’i Israely nanao hoe: «Nahoana ianao no dia manao toy izany amin’ny mpanomponao?
16
Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin’izany.»
17
Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay.
18
Ka mandehana miasa amin’izao tsy omena mololo ianareo; ary ny isan’ny biriky hatolotrareo dia tsy ovana akory.»
19
Hitan’ny mpanoratry ny zanak’i Israely fa efa mandry andriran’antsy izy, fa ilazana hoe: «Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan’andro dia ho latasy toraky ny fanao isan’andro ihany.»
20
Ary izy nahita an’i Môizy sy i Aarôna, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin’i Faraôna,
21
ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»
22
Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?
23
Fa hatrizay nankanesako tany amin’i Faraôna hiteny amin’ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa ianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40