bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 15
Exodus 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 16 →
1
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’i Iaveh. Hoy izy: «Hihira ho an’i Iaveh aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.
2
I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
3
Mpiady mahery i Iaveh, Ary i Iaveh no anarany.
4
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;
5
Nosaforan’ny rano ireny, Nilentika amin’ny farany ambany toy ny vato izy ireo.
6
Iaveh ô! nigagana noho ny heriny ny tananao havanana, Iaveh ô! nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
7
Ny fiandriananao mihoa-pampana, No andringanana ny fahavalonao; Fa mampirehitra ny hatezeranao Ianao, Dia levona toy ny mololo ireny.
8
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
9
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
10
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao dia safotry ny rano izy, Ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
11
Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?
12
Naninjitra ny tananao havanana ianao, dia nitelina an’ireny ny tany.
13
Ny fahasoavanao no hitondranao ity vahoaka navotanao ity; Ny fahefanao no hitarihanao azy ho any amin’ny fonenanao masina.
14
Vao nandre izany ny firenena dia nangovitra; Raiki-tahotra ny Filistinina;
15
Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;
16
Ho resin-tahotra sy zoim-pahoriana izy ireo. Noho ny herin-tsandrinao, hanjary toa vato tsy mahahetsika izy ireo. Mandra-pandalon’ny vahoakanao, ry Iaveh ô, Mandra-pandalon’ny vahoakanao izay navotanao.
17
Hitondra sy hamponina azy Ianao Eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao, Dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Iaveh ô, eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô
18
Hanjaka mandrakizay doria i Iaveh!
19
Fa ny soavalin’i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina, ka nosaforan’i Iaveh ny ranon’ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak’i Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.»
20
Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.
21
Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely: «Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.»
22
Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.
23
Nony tonga tao Marà izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà.
24
Nimonomonona tamin’i Môizy ny vahoaka, nanao hoe: «Inona no hosotroinay?»
25
I Môizy nitaraina tamin’i Iaveh, ka notoroan’i Iaveh hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Iaveh ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy.
26
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
27
Dia tonga teo Elima izy ireo, izay nisy loharano roa ambin’ny folo sy foto-palma fitopolo, ka nitoby teo akaikin’ny rano izy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Recommended Reading
Commentary
Exodus Commentaries
→
Devotional
Exodus Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→