bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 37
Exodus 37
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
1
Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
2
Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
3
Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin’ny tongony efatra: masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray, masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray hafa.
4
Nanao bao tamin’ny hazo akasià izy, ary nopetahany takela-bolamena.
5
Natsofony tamin’ireo masom-bola teo amin’ny lanin’ny fiara ny bao hitondrana azy.
6
Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
7
Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin’ny tendrony roa amin’ny fanaovam-panavotana.
8
Ny kerobima iray amin’ny tendrony iray ary ny kerobima iray amin’ny tendrony iray hafa, nataony tafahoatra ny fanaovam-panavotana eo amin’ny tendrony roa avy ny kerobima.
9
Nivelatra niakatra ny elatry ny kerobima manaloka ny fanaovam-panavotana ary ny tavany mifanatrika, ary ny tavan’ny kerobima mitodika manatrika ny fanaovam-panavotana.
10
Hazo akasià koa no nanaovany ny latabatra: roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
11
Nopetahany takela-bolamena madio koa izy, ary nasiany tanjo-miolaka volamena manodidina azy.
12
Nasiany sisiny iray vody voampelatanana manodidina azy, ary io sisiny io nanaovany tanjo-miolaka volamena manodidina.
13
Nandrendrika masom-bolamena efatra izy ary nataony tamin’ny zorony efatra ny masom-bolamena, dia amin’ny tongony efatra.
14
Tao akaikin’ny sisiny ny masom-bola hidiran’ny bao hitondrana ny latabatra.
15
Ny bao dia nataony tamin’ny hazo akasià nopetahana volamena; izany no nitondrana ny latabatra.
16
Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.
17
Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.
18
Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray hafa.
19
Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
20
Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny:
21
bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
22
Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo.
23
Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.
24
Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
25
Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony.
26
Nopetahany takela-bolamena madio izy dia ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony; ary asiany tanjo-miolaka volamena manodidina.
27
Nasiany masom-bolamena roa teo ambanin’ny tanjo-miolaka amin’ny rirany roa; nataony teo an-daniny roa ireo, hidiran’ny bao hitondrana azy.
28
Hazo akasià, nopetahany volamena, no nanaovany ny bao.
29
Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40