bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Exodus 7
Exodus 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 8 →
1
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro ianao efa nataoko ho andriamanitra eo imason’i Faraôna, ary i Aarôna rahalahinao no ho mpaminaninao.
2
Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.
3
Ary Izaho hanamafy ny fon’i Faraôna, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin’ny tany Ejipta.
4
Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.
5
Ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no Iaveh, rehefa haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho sy hamoaka ny zanak’i Israely avy eo afovoan’izy ireo.»
6
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony.
7
Efa valopolo taona i Môizy ary telo amby valopolo taona i Aarôna, tamin’izy ireo niteny tamin’i Faraôna.
8
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna:
9
«Raha avy izay hilazan’i Faraôna aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Faraôna, fa hanjary bibilava iny.»
10
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.
11
Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.
12
Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.
13
Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo.
14
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.
15
Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,
16
ary ianao hilaza aminy hoe: ‹Avelao handeha ny vahoakako, hanompo Ahy any an’efitra. Ary indro fa mandrak’izao dia tsy nety nihaino ianao.
17
Ka izao no lazain’i Iaveh: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Iaveh: hotapahiko amin’ity tehina an-tanako ity ny rano eo amin’ny ony, dia ho voaova ho ra;
18
ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejiptianina harikoriko tsy te hisotro ny rano eo an’ony.› »
19
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»
20
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;
21
Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.
22
Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.
23
Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony.
24
Ary ny Ejiptianina rehetra nihady lavaka teny akaikin’ny ony hahitany rano azo nosotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.
25
Lasa ny andro fito taorian’ny namelezan’i Iaveh ny ony.
26
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna, lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompo Ahy.
27
Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, hataoko hidiran-doza, avy amin’ny sahona ny taninao manontolo.»
28
«Ho hipoka sahona ny ony, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambony farafaranao, ao an-tranon’ny mpanomponao, eny amin’ny vahoakanao, amin’ny lafaoronao, ary amin’ny fanditian-dafarinanao.
29
Hiakaran’ny sahona avokoa ianao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra.»
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40