bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 11
2 Kings 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 12 →
1
Nony hitan’i Atalia, renin’i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny taranaky ny mpanjaka rehetra.
2
Fa i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, ary anabavin’i Ahazia, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy mbamin’ny mpitaiza azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, ary nitondra azy ho ao amin’ny efitrano toeram-pandriana. Nafenina an’i Atalia izy ka tsy mba voavono.
3
Niery nandritra ny enina taona niaraka taminy tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy, fa i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.
4
Tamin’ny taona fahafito dia nandefa iraka haka ny mpifehy zato teo amin’ny Kariana sy ny mpiambina i Joiada ka nampiditra azy tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Nanao fanekena ho azy ireo izy dia nampianianiny tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary nasehony azy ny zanakalahin’ny mpanjaka.
5
Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelonareo izay milatsaka amin’ny Sabata dia hiambina ny tranon’ny mpanjaka;
6
ny ampahatelonareo dia ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony sisa dia ho ao am-bavahady, ao aorianan’ny mpiambina; hifandimby hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
7
Ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin’ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon’NY TOMPO hiarovana ny mpanjaka.
8
Hanemitra manodidina ny mpanjaka amim-piadiana ianareo, koa na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo, na aiza na aiza alehany.
9
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ireo mpifehy zato ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata ary nankany amin’i Joiada mpisorona.
10
Ary ny mpifehy zato dia nomen’ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’i Davida mpanjaka izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
11
Ary nitsangana ny mpiambina ka samy nitana ny fiadiany avy sady nanodidina ny mpanjaka hatreo amin’ny lafiny havana amin’ny Trano ka hatreo amin’ny lafiny havia, teo akaikin’ny alitara sy ny Trano.
12
Dia noentin’i Joiada nivoaka ny Trano ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra ary notolorany ny Vavolombelona. Nampanjakainy sy nohosorany izy, ary nitehaka ny olona ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
13
Nony ren’i Atalia ny tabataban’ny mpiambina sy ny vahoaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy.
14
Ary hitany fa indro nitsangana teo amin’ny lampihazo araka ny fomba fanao ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno trompetra; dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
15
Fa nandidy ny mpifehy zato, lehiben’ny miaramila i Joiada mpisorona ka niteny taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy!
16
Ary nisambotra azy ny olona dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
17
Ary i Joiada dia nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’NY TOMPO mba ho olon’NY TOMPO izy ireo, ary nampifanaiky koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.
18
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao amin’ny tempolin’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra teo aminy dia notorotoroiny tanteraka ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala. Ary nanendry ny olona ho mpitandrina ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona.
19
Ary nalainy ny mpifehy zato sy ny Kariana ary ny mpiambina mbamin’ny vahoaka rehetra dia noentina nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ary avy teo am-bavahadin’ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ny sezafiandrianan’ny mpanjaka izy.
20
Dia nifaly ny vahoaka rehetra ary nandry fehizay ny tanàna. Ary i Atalia moa dia novonoiny tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25