bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 14
2 Kings 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
1
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, no nanombohan’i Amazia, zanak’i Joasy, nanjaka tamin’ny Joda.
2
Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jehoadana, avy any Jerosalema.
3
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon’i Joasy rainy ihany no nataony.
4
Kanefa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona.
5
Nony tafapetraka tsara teo an-tanany ny fanjakany dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6
Fa ny zanak’ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina noho ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hovonoina noho ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina noho ny fahotany avy ny olona.
7
Nahafaty Edomita iray alina tao amin’ny Lohasahantsira izy sady nahazo an’i Sela tamin’ny ady ka niantso ny anarany hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8
Tamin’izany i Amazia dia nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza aminy hoe: Avia, aoka isika hifanandrina!
9
Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tany amin’ny hazo sedera izay tany Libanona hilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny! Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo.
10
Efa namely an’i Edoma tokoa ianao ka nirehareha ny fonao. Aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany. Fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ny Joda koa ianao?
11
Tsy nanaiky anefa i Amazia. Koa niakatra i Joasy, mpanjakan’ny Israely; ary izy sy i Amazia, mpanjakan’ny Joda dia nihaona tany Bety-Semesy izay any Joda.
12
Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda ka samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny olona.
13
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Ahazia dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy. Dia nankany Jerosalema i Joasy ary nandravany efajato hakiho ny mandany, hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo amin’ny zorony.
14
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra mbamin’ny fanaka rehetra izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny olona natao takalon’aina, dia niverina ho any Samaria izy.
15
Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’ny heriny sy ny niadiany tamin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
16
Ary nodimandry any amin’ny razany i Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17
Ny andro niainan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, taorianan’ny nahafatesan’i Joasy, zanak’i Joahaza, mpanjakan’ny Israely, dia dimy amby folo taona.
18
Ny tantaran’i Amazia sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
19
Nanao tetika fikomiana taminy tany Jerosalema ny olona ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nanaraka azy tany ny olona ka namono azy.
20
Ary nasampy tamin’ny soavaly ny fatiny dia nalevina tany Jerosalema tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy.
21
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ny Joda dia naka an’i Azaria, izay vao enina amby folo taona monja, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.
22
Izy no nanamboatra an’i Elota ka nampody azy ho an’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka.
23
Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Amazia, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tany Samaria i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely. Nanjaka iraika amby efapolo taona izy.
24
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotana rehetra izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.
25
Izy no nampody ny sisintanin’ny Israely ka azony hatrany akaikin’i Hamata ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, araka ny tenin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia i Jona, zanak’i Amitahy, mpaminany tany Gata-Hefera.
26
Eny, hitan’NY TOMPO fa nangidy loatra ny fahorian’ny Israely. Tsy nisy niangana na voagadra na olona afaka, sady tsy nisy namonjy ny Israely akory.
27
NY TOMPO anefa tsy nilaza fa hamono ny anaran’ny Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra. Fa ny tanan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, no noentiny namonjy azy.
28
Ny tantaran’i Jeroboama sisa mbamin’izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an’i Damaskosy sy Hamata ho an’ny Israely, nefa an’i Joda ireo fahiny, tsy voasoratra ao amin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
29
Ary nodimandry any amin’ny razany i Jeroboama, dia tao amin’ireo mpanjakan’ny Israely. I Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25