bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 21
2 Kings 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 22 →
1
Roa amby folo taona i Manase raha nanomboka nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hefziba.
2
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka ny fahavetavetan’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
3
Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ny Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, tahaka izay nataon’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely; niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ka nanompo ireny.
4
Nanorina alitara maromaro tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa izy, dia tao amin’izay nolazain’NY TOMPO hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
5
Nanorina alitara tao anatin’ny kianja roa tao amin’ny tranon’NY TOMPO ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy.
6
Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy.
7
Ny sarivongan’ny Aseraha izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida sy i Solomona zanany hoe: Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ny fokon’ny Israely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8
Tsy hampirenireny ny Israely any ivelan’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho raha mba hitandrina ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy izy, araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy ihany.
9
Nefa tsy nihaino izy; fa i Manase dia nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny Jentilisa izay naringan’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
10
Ary NY TOMPO nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11
Satria i Manase, mpanjakan’ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ny sampiny,
12
dia izao kosa no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’i Jerosalema sy i Joda Aho, koa izay rehetra mandre izany dia hangintsina ny sofiny roa.
13
Hohenjaniko ato Jerosalema ny kofehy fandrefesan’i Samaria sy ny fandrefesana marindranon’ny taranak’i Ahaba; ary hamaoka an’i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka azy no manohoka azy ambony ambany.
14
Hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony; dia ho haza sy ho babon’ny fahavalony rehetra izy,
15
satria efa nanao izay ratsy teo imasoko ka nahatezitra Ahy hatramin’ny andro nivoahan’ny razany avy tany Ejipta ka mandraka androany.
16
Ary na dia ny ran’ny tsy manan-tsiny aza dia nalatsak’i Manase be dia be ka nandrakotra an’i Jerosalema manontolo, ho fanampin’ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’NY TOMPO.
17
Ny tantaran’i Manase sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
18
Ary nodimandry any amin’ny razany i Manase dia nalevina tao an-tanimboly tao alatranony, ao amin’ny sahan’i Oza, ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
19
Roa amby roapolo taona i Amona raha nanomboka nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mesolemeta, zanakavavin’i Haroza, avy any Jotba.
20
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, tahaka ny nataon’i Manase rainy;
21
nandeha tamin’ny lalana rehetra izay efa nalehan’ny rainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin’ny rainy sady niankohoka teo anatrehany.
22
Nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ny lalan’NY TOMPO.
23
Nanao tetika fikomiana taminy ny mpanompon’i Amona mpanjaka ka namono azy tao an-tranony.
24
Ny vahoaka koa dia namono izay rehetra nanao tetika fikomiana tamin’i Amona mpanjaka dia nampanjaka an’i Josia zanany hisolo azy.
25
Ny tantaran’i Amona sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
26
Nalevina tao amin’ny fasany tao amin’ny sahan’i Oza izy ka i Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25