bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 16
2 Kings 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 17 →
1
Tamin’ny taona fahafito amby folo nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaza, zanak’i Jotama, mpanjakan’ny Joda.
2
Roapolo taona i Ahaza, raha nanomboka nanjaka, ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO Andriamaniny tahaka ny nataon’i Davida rainy izy
3
fa nandeha tamin’ny lalan’ireo mpanjakan’ny Israely; eny, ny zanany lahy aza dia nampamakivakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
4
Namono zavatra ho fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona sy teny amin’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra koa.
5
Tamin’izany dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely. Nanao fahirano an’i Ahaza izy, nefa tsy afaka namaky ady.
6
Tamin’izany andro izany i Rezina, mpanjakan’i Arama, dia nahazo an’i Elota ho isan’ny fanjakan’i Arama indray ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary nankany Elota ny Arameana ka monina ao mandraka androany.
7
Ary i Ahaza dia nandefa iraka ho any amin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, hilaza hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara ka vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanjakan’i Arama sy ny mpanjakan’ny Israely, izay mitsangana hiady amiko.
8
Ary nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.
9
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’i Asiria. Niakatra hamely an’i Damaskosy ny mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy; dia nalefany ho babo any Kira ny olona, fa i Rezina kosa dia novonoiny.
10
Ary nandeha i Ahaza mpanjaka hitsena an’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, any Damaskosy. Nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’i Oria mpisorona.
11
Ary nanao alitara i Oria mpisorona. Araka ny marika rehetra nampitondrain’i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’i Oria mpisorona azy mandra-piavin’i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12
Nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka dia nahita ny alitara, dia nanatona ny alitara ka niakatra teo.
13
Ary nandoro ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanatiny avy amin’ny zavamaniry teo izy sady nampidina ny fanatiny aidina no namafy ny ran’ny fanati-pihavanany tamin’ny alitara.
14
Ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’NY TOMPO, dia nafindrany hiala teo anoloan’ny trano, dia teo anelanelan’ny alitara vaovao sy ny tranon’NY TOMPO ka nataony teo avaratry ny alitarany.
15
Ary i Ahaza mpanjaka dia nandidy an’i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina; tahaka izany koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry amin’ny hariva ary ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay ho an’ny mpanjaka sy ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ary ny fanatitra aidina izay ho an’ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hafafinao eo amboniny; ary ny amin’ny alitara varahina dia izaho no hikarakara ny momba azy.
16
Ary i Oria mpisorona dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Ahaza mpanjaka.
17
Nopotehin’i Ahaza mpanjaka ireo takelaka teo amin’ny fitoeran’ny koveta ary nesoriny ny koveta izay teo amboniny. Ilay koveta lehibe dia nampidininy hiala tamin’ireo omby varahina izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
18
Ny Fialofana tamin’ny Sabata, izay natao teo akaikin’ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO noho ny tahony ny mpanjakan’i Asiria.
19
Ny tantaran’i Ahaza sisa, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
20
Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25