bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 8
2 Kings 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 9 →
1
Ary i Elisa niteny tamin-dRavehivavy, renin’ilay zaza novelominy indray hoe: Miaingà ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’izay azonao ivahiniana; fa NY TOMPO efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ny tany.
2
Dia niainga Ravehivavy ka nanatanteraka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistina.
3
Nony afaka ny fito taona dia nody avy tany amin’ny tanin’ny Filistina Ravehivavy ary lasa nitaraina tamin’ny mpanjaka izy ny amin’ny tranony sy ny taniny.
4
Ary ny mpanjaka dia niteny tamin’i Gehazy, zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra hoe: Miangavy anao aho, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’i Elisa.
5
Raha mbola nilazalaza tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nameloman’i Elisa ny maty izy dia indro, ilay vehivavy, renin’ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ny mpanjaka ny amin’ny tranony sy ny taniny. Ary hoy i Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’i Elisa.
6
Nony nanontanian’ny mpanjaka Ravehivavy dia nanamafy izany. Dia notendren’ny mpanjaka ny tandapa iray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ny andro nialany tamin’ny tany ka mandraka ankehitriny.
7
Ary i Elisa dia tonga tany Damaskosy, ary tamin’izay dia narary i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’Andriamanitra.
8
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela: Mitondrà fanomezana miaraka aminao ka mandehana, tsenao ny lehilahin’Andriamanitra, ary anontanio azy izay tenin’NY TOMPO ka lazao hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao?
9
Dia lasa i Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana zakan’ny rameva efapolo. Ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary niteny hoe: I Beny-Hadada zanakao, mpanjakan’i Arama, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’izao aretiko izao?
10
Hoy i Elisa taminy: Mandehana ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao! Kanefa NY TOMPO naneho ahy fa tena ho faty izy.
11
Ary nibanjina azy ela ny lehilahin’Andriamanitra, ary farany dia nitomany.
12
Dia hoy i Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary hoy izy hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ny Zanak’Israely: Ny fiarovany mafy dia hodoranao, ny zatovony dia hovonoinao amin’ny sabatra, ny zanany madinika dia hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy dia hotatahanao ny kibony.
13
Fa hoy i Hazaela: Zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa hoy i Elisa: Efa nasehon’NY TOMPO tamiko fa indro, ianao no ho mpanjakan’i Arama.
14
Dia nisaraka tamin’i Elisa izy ka nankany amin’ny tompony; ary nanontany azy izy hoe: Ahoana no nolazain’i Elisa taminao? Dia namaly izy hoe: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao!
15
Nony ampitso dia nalain’i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ny rano ary nasarony ny tavan’i Beny-Hadada ka maty ny mpanjaka; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
16
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
17
Roa amby telopolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
18
Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’ny Israely izy, dia tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa ny zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy.
19
Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy, fa homeny jiro mandrakizay ho an’ny taranany izy.
20
Tamin’ny androny no nikomian’i Edoma tsy hanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
21
koa nankany Zaira i Jehorama ary noentiny niaraka taminy ny kalesy fitondrany miady rehetra; nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy mbamin’ny mpitondra kalesy; ary ny olona dia nandositra ho any an-dainy.
22
Nefa ny Edomita dia mbola nikomy ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. I Libna koa dia nikomy tamin’izany andro izany.
23
Ny tantaran’i Jehorama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
24
Ary nodimandry any amin’ny razany i Jehorama dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida; ary i Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
25
Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Jehorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda.
26
Roa amby roapolo taona i Ahazia raha nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Atalia, zanakavavin’i Omry, mpanjakan’ny Israely.
27
Nandeha tamin’ny lalan’ireo taranak’i Ahaba izy ka nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tahaka ny nataon’ny taranak’i Ahaba, fa vinanton’ny taranak’i Ahaba ihany izy.
28
Niaraka tamin’i Jehorama zanak’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tany Ramota-Gileada; ary ny Arameana dia nahavoa an’i Jehorama.
29
Dia niverina tany Jezirela i Jehorama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny feriny; izany dia tamin’ny nahavoazan’ny Arameana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jehorama zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’i Joda, satria narary izy.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25