bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 19
2 Kings 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 20 →
1
Raha nandre izany i Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
2
Ary naniraka an’i Eliakima, lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary ny lehiben’ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana izy, hankany amin’Isaia mpaminany, zanak’i Amoza.
3
Hoy ireo taminy: Izao no lazain’i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baraka ity andro ity; fa efa eo am-piterahana ny zaza kanefa tsy misy hery hiterahana azy.
4
Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa akaro ny vavaka ataonao hamonjy izay mbola sisa.
5
Dia nankany amin’Isaia ny mpanompon’i Hezekia mpanjaka.
6
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy.
7
Fa indro, Izaho hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin’ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.
8
Dia niverina i Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano tamin’io, satria reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9
Ary i Sankeriba dia nandre filazana ny amin’i Tiraka, mpanjakan’i Kosy hoe: Indro, avy hiady aminao izy. Dia nandefa iraka indray ho any amin’i Hezekia izy ka hilaza hoe:
10
Izao no holazainareo amin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, amin’ny teny hoe: Jerosalema dia tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.
11
Indro, efa nandre izay nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra ianao, dia ny nanaovany azy ho zavatra voaozona; dia ianao va no ho voavonjy?
12
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako, dia i Gozana, i Harana, i Rezefa ary ny taranak’i Edena, izay tao Telasara?
13
Aiza ny mpanjakan’i Hamata sy ny mpanjakan’i Arpada ary ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima sy Henà ary Iva?
14
Dia noraisin’i Hezekia tamin’ny tanan’ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka namelatra iny teo anatrehan’NY TOMPO.
15
Dia nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, izay mipetraka amin’ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
16
Atongilano ny sofinao, TOMPO ô, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, TOMPO ô, ka mijere! Henoy ny tenin’i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’Andriamanitra velona.
17
TOMPO ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’i Asiria dia efa nandrava ny Jentilisa sy ny taniny
18
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny fa asan’ny tanan’olona ihany, eny, hazo sy vato ka azony nosimbana.
19
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray ô, mitaraina Aminao aho, vonjeo amin’ny tanany izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao dia Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra!
20
Ary Isaia, zanak’i Amoza, nandefa iraka hankany amin’i Hezekia, hilaza hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ilay fitarainana nataonao Tamiko ny amin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, dia efa nohenoiko.
21
Koa izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba. Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona, zanakavavy virijiny; mihifikifi-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao mandositra.
22
Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely!
23
Tamin’ny alalan’ny irakao no nihantsianao ny Tompo hoe: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona, dia nokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina; dia niditra tany amin’ny fialofana farany ao aminy aho sy tany amin’ny alany midokadoka.
24
Izaho no nihady ka nisotro ny ranon’ny firenen-kafa ary ny faladiako no handriatako ny lakandranon’i Neily rehetra any Ejipta.
25
Tsy mbola renao va, hoy NY TOMPO, fa efa hatry ny ela no nanomanako izany, ary efa hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny kosa dia efa manatanteraka izany Aho ka ny nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato no anjaranao.
26
Tsy nahatohitra ny mponina tany; sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ny tampon-trano, eny, tahaka ny vary vao mitsiry dia maty.
27
Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao, na mivoaka hiady, na miverina avy niady; fantatro koa ny fihetsiketsehanao hanohitra Ahy.
28
Satria mihetsiketsika manohitra Ahy ianao, ary efa tafakatra atỳ an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny faraingoko ny oronao ary hopetahiko ny lamboridiko ny molotrao, dia hampivereniko amin’ny lalana izay niavianao ianao.
29
Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity, ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany, fa amin’ny taona fahatelo kosa, mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy amin’izany.
30
Ary ny sisa izay afa-nandositra amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamahatra lalindalina kokoa sady hisondrotra ka hamoa.
31
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hanao izany.
32
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
33
Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, hoy NY TOMPO.
34
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.
35
Tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana, koa nony maraina vao nifoha olona dia hita fa indreo, fatin’olona avokoa.
36
Dia niainga i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
37
Ary raha niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy dia nasian’i Adrameleka sy i Sarezera zanany lahy ny sabatra; afa-nandositra nankany amin’ny tany Ararata izy mirahalahy. I Esara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25