bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 12
2 Kings 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 13 →
1
Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka;
2
tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jeho mpanjakan’i Joda izy no nanombohany nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba.
3
Ary nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Joasy tamin’ny androny rehetra izay nanoloran’i Joiada mpisorona saina azy.
4
Nefa kosa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana, ary ny olona dia mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ny toerana fanaovana sorona ihany.
5
Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: Ny vola momba ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny volan’ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ny hetra naloan’ny olona ary ny vola rehetra izay noentin’ny olona an-tsitrapo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO,
6
dia aoka horaisin’ny mpisorona amin’ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ny Trano, na amin’inona na amin’inona no hitany misy simba.
7
Kanjo hatramin’ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan’i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ny Trano.
8
Koa niantso an’i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa i Joasy mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy manamboatra ny simba amin’ny Trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ny olom-pantatrareo intsony ianareo fa omeo hanamboarana ny simba amin’ny Trano ny vola.
9
Ary nanaiky tsy handray vola amin’ny olona hanamboarana ny simba amin’ny Trano intsony ny mpisorona.
10
Fa naka vata iray i Joiada mpisorona dia noloahany ny rakony ary napetrany teo anilan’ny alitara tamin’ny sisiny havanan’ny fidirana amin’ny tranon’NY TOMPO; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
11
Nony hitany fa betsaka ny vola tao am-bata dia niakatra ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny Mpisoronabe ka nofonosiny ny vola izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO sady nisainy.
12
Ary ny vola voalanja dia natolotr’ireo ho eo an-tanan’ny mpiandraiki-draharaha, dia izay voatendry ny amin’ny tranon’NY TOMPO; ireo kosa dia namoaka azy ho amin’ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’NY TOMPO.
13
Nomeny ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika izany mba hamidy hazo sy vato voapaika, hanamboarana ny simba amin’ny tranon’NY TOMPO sy holanina amin’izay fanamboarana rehetra ilaina.
14
Nefa tamin’ny volafotsy nampidirina tao dia tsy nisy nanaovana lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay mety ho fanaka volamena sy volafotsy ho amin’ny tranon’NY TOMPO,
15
fa nomena ny mpiasa izany ka noentin’ireo nanamboarana ny tranon’NY TOMPO.
16
Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa olona nahatoky ireo.
17
Ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota kosa dia tsy mba nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona izany.
18
Tamin’izay dia niakatra i Hazaela, mpanjakan’i Arama ary namely an’i Gata ka nahazo azy. Dia nizotra niakatra hamely an’i Jerosalema koa izy.
19
Ary i Joasy, mpanjakan’ny Joda dia naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda razany, dia i Josafata, i Jehorama ary i Ahazia, mbamin’ny zavatra nohamasinin’ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tao amin’ny efitrano fitahirizana, na ny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, na ny tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama ireo ka lasa niverina i Hazaela fa tsy nankany Jerosalema.
20
Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
21
Ary nitsangana ny mpanompon’i Joasy ka nanao tetika fikomiana dia namono azy tao Bety-Milo, izay teo am-pidinana mankany Sila.
22
Fa i Jozakara, zanak’i Simata sy i Jozabada, zanak’i Somera, mpanompony dia namely azy ho faty. Dia nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25