bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 15
2 Kings 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 16 →
1
Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria, zanak’i Amazia, mpanjakan’ny Joda.
2
Enina amby folo taona izy no nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy.
4
Kanefa ny toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany ny olona.
5
Nikapoka ny mpanjaka NY TOMPO ka boka mandra-pahafatiny izy ary nitoetra tao amin’ny trano mitokana izy. I Jotama, zanaky ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitondra ny vahoaka.
6
Ny tantaran’i Azaria sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
7
Ary nodimandry any amin’ny razany i Azaria ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
8
Tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zakaria, zanak’i Jeroboama, tamin’ny Israely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
9
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tahaka ny nataon’ny razany izy; tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely izy.
10
Ary i Saloma, zanak’i Jabesy dia nanao tetika fikomiana taminy dia namely azy teo anatrehan’ny vahoaka ka nahafaty azy ary avy eo dia nanjaka nandimby azy.
11
Ny tantaran’i Zakaria sisa, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
12
Izany ilay tenin’NY TOMPO nolazainy tamin’i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ny zafindohalika dia hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny Israely. Dia tanteraka izany.
13
Ary i Saloma, zanak’i Jabesy, dia nanjaka tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; nanjaka tany Samaria iray volana izy.
14
Fa niakatra avy tany Tirza hankany Samaria i Menahema, zanak’i Gady, dia namely an’i Saloma, zanak’i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15
Ny tantaran’i Saloma sisa mbamin’ny nikomiany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
16
Tamin’izay i Menahema dia namely an’i Tifsa sy izay rehetra tao mbamin’ny faritaniny nanomboka hatrany Tirza, satria tsy namoha vavahady azy i Tifsa ka nasiany, ary notatahany ny kibon’izay bevohoka rehetra tao.
17
Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely i Menahema, zanak’i Gady, ary folo taona no nanjakany tao Samaria.
18
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy. Tamin’ny androny rehetra izy dia tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.
19
Ary i Pola, mpanjakan’i Asiria dia avy hananika ny tany; ary i Menahema dia nanome talenta volafotsy arivo an’i Pola, mba hanohana azy izy ka hampitoetra ny fanjakana eo an-tanany.
20
Ary nampandoavin’i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ny Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy isan’olona, mba homeny ny mpanjakan’i Asiria. Dia lasa niverina ny mpanjakan’i Asiria fa tsy nijanona teo amin’ny tany.
21
Ny tantaran’i Menahema sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
22
Nodimandry any amin’ny razany i Menahema ka i Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23
Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Pekahia, zanak’i Menahema, ary roa taona no nanjakany.
24
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.
25
Ary i Peka, zanak’i Remalia, lefiny, dia nanao tetika fikomiana taminy ka namely an’i Pekahia mbamin’i Argoba sy i Aria tao Samaria, tao amin’ny tilikambo-mandan’ny lapa; nisy olona dimampolo lahy avy any Gileada niaraka tamin’i Peka. Koa namono an’i Pekahia i Peka dia nanjaka nandimby azy.
26
Ny tantaran’i Pekahia sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
27
Tamin’ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Peka, zanak’i Remalia, ary roapolo taona no nanjakany.
28
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.
29
Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Israely, dia tonga i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nahazo an’Iona sy i Abela-Bety-Maka, i Janoa, i Kadesy, i Hazora, i Gileada ary i Galilia, dia ny tanin’ny Naftaly manontolo; izy no nandefa ny olona ho babo tany Asiria.
30
Ary nanao tetika fikomiana tamin’i Peka, zanak’i Remalia, i Hosea, zanak’i Elaha, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jotama, zanak’i Ozia.
31
Ny tantaran’i Peka sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
32
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely, no nanomboka nanjaka i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda.
33
Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.
34
Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy; tahaka izay rehetra nataon’i Ozia rainy no nataony.
35
Kanefa ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; mbola namono zavatra ho fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ireo toerana fanaovana sorona ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO.
36
Ny tantaran’i Jotama sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
37
Tamin’izany andro izany NY TOMPO dia nanomboka naniraka an’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia, hanafika an’i Joda.
38
Ary nodimandry any amin’ny razany i Jotama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy; i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25