bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 24
2 Kings 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
1
Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Nanoa azy nandritra ny telo taona i Joiakima; nivadika anefa izy ka nikomy taminy.
2
Ary NY TOMPO nandefa ny miaramilan’ny Kaldeana, ny miaramilan’ny Arameana, ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy; nampandehaniny hiady amin’i Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3
Araka ny tenin’NY TOMPO ihany no nahatongavan’izany tamin’i Joda ka nanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase, noho izay rehetra nataony
4
sy noho ny ran’ny tsy manan-tsiny izay nalatsany koa; fa nofenoiny ran’ny tsy manan-tsiny i Jerosalema. Izany no tsy netezan’NY TOMPO hamela ny helony.
5
Ny tantaran’i Joiakima sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
6
Ary nodimandry any amin’ny razany i Joiakima ka i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7
Ary tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta; fa lasan’ny mpanjakan’i Babilona izay rehetra an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata.
8
Valo amby folo taona i Joiakina raha nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Nehosta, zanakavavin’i Elnatana avy any Jerosalema.
9
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’ny rainy.
10
Tamin’izany andro izany no niakaran’ny mpanompon’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely an’i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11
Dia tonga koa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12
Dia nandeha nankany amin’ny mpanjakan’i Babilona i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia izy sy ny reniny, ny mpanompony, ny mpanapaka ary ny tandapany. Noentin’ny mpanjakan’i Babilona izy tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
13
Ary navoakan’i Nebokadnezara ny harena rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny harena tao amin’ny tranon’ny mpanjaka dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, tao amin’ny tempolin’NY TOMPO, araka izay nolazain’NY TOMPO.
14
Noentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny manamboninahitra rehetra ary ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina mbamin’ny mpahay taozavatra rehetra sy ny mpanefy, tsy nisy izay navelany afa-tsy ny madinika teo amin’ny tany.
15
Nitondra an’i Joiakina koa ho babo any Babilona izy; ary ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka, ny tandapa ary ny lehilahy mahery amin’ny tany dia noentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babilona.
16
Ny lehilahy mahery rehetra, fito arivo, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia noentin’ny mpanjakan’i Babilona ho babo tany Babilona avokoa.
17
Ary i Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanjaka hisolo an’i Joiakina ka novany hoe Zedekia ny anarany.
18
Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna.
19
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay rehetra nataon’i Joiakima.
20
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroahany azy tsy ho eo anatrehany. Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babilona i Zedekia.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25