bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 20
2 Kings 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
1
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia. Nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao fa tsy ho velona intsony.
2
Dia nitodika nankany amin’ny rindrina izy ka nivavaka tamin’NY TOMPO hoe:
3
TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4
Ary raha tsy mbola tafavoaka ny kianja afovoan’ny tanàna Isaia dia tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe:
5
Miverena ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hanasitrana anao Aho ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ianao.
6
Ary hampiako dimy amby folo taona ny andronao, sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.
7
Ary hoy Isaia: Makà mofo aviavy. Dia nalainy izany ka napetany tamin’ny vay dia sitrana izy.
8
Hoy mantsy i Hezekia tamin’Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’NY TOMPO aho ka hiakatra any amin’ny tranon’NY TOMPO raha afaka ampitso?
9
Hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy: Handroso ambaratonga folo va ny aloka, sa hiverina ambaratonga folo?
10
Ary namaly i Hezekia hoe: Mora foana ny handrosoan’ny aloka ambaratonga folo; koa tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina ambaratonga folo!
11
Nitaraina tamin’NY TOMPO Isaia mpaminany, ary NY TOMPO nampihemotra ny aloka ambaratonga folo tamin’ilay nidinany teo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza; nihemotra ambaratonga folo izany.
12
Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Berodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa reny hoe narary izy.
13
Ary nandray ireo iraka i Hezekia ka naneho azy ny trano rehetra fitahirizany zava-tsoa, ny volafotsy, ny volamena, ny zavamanitra ary ny diloilo tsara, mbamin’ny trano fitahirizana ny fiadiany rehetra sy izay rehetra tao amin’ny trano fitahirizany: Tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
14
Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Hoy i Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babilona.
15
Hoy izy: Koa inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy i Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany avokoa; tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ny trano fitahirizako rehetra.
16
Dia hoy Isaia tamin’i Hezekia: Henoy ary ny tenin’NY TOMPO:
17
Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.
18
Ary na dia ny naterakao koa aza dia hisy hoentiny ka ho ionòka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo.
19
Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, tsy hisy fiadanana sy fandriampahalemana va amin’ny androko?
20
Ny tantaran’i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ny nanaovany ny kamory sy ny lakandrano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
21
Dia nodimandry any amin’ny razany i Hezekia ka i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25