bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 3
2 Kings 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 4 →
1
I Jehorama, zanak’i Ahaba, dia nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria tamin’ny fahavalo amby folo taona nanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda; ary nanjaka nandritra ny roa amby folo taona izy.
2
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO koa izy, nefa tsy dia tahaka ny rainy kosa na tahaka ny reniny. Nanaisotra ilay tsangambaton’ny Baala izay nataon’ny rainy izy;
3
nefa izy dia nikikitra tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely fa tsy niala tamin’izany.
4
Ary i Mesa, mpanjakan’i Moaba dia nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ny mpanjakan’ny Israely izy, dia zanak’ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy mbamin’ny volon’ondry avy aminy.
5
Fa rehefa maty i Ahaba dia nikomy tamin’ny mpanjakan’ny Israely ny mpanjakan’i Moaba.
6
Ary niainga avy tany Samaria i Jehorama mpanjaka tamin’izany andro izany ka nandamina ny Israely rehetra.
7
Nandeha izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda hilaza hoe: Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Moaba. Koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Hoy i Josafata: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, koa ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8
Hoy koa izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Dia namaly i Jehorama hoe: Ilay mamakivaky ny tany efitr’i Edoma.
9
Dia nandeha ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’ny Joda ary ny mpanjakan’i Edoma; nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ny miaramila sy ny biby fiompy izay noentiny.
10
Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: Indrisy! NY TOMPO efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan’i Moaba!
11
Ary hoy i Josafata: Tsy misy mpaminanin’NY TOMPO va eto mba hanontaniantsika amin’NY TOMPO? Dia nisy iray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely namaly hoe: Ato ihany i Elisa, zanak’i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia.
12
Hoy i Josafata: Ao amin’izy io tokoa ny tenin’NY TOMPO. Dia nidina nankany amin’i Elisa ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata ary ny mpanjakan’i Edoma.
13
Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ny mpaminanin’ny rainao sy ny mpaminanin’ny reninao. Nefa hoy ny mpanjakan’ny Israely taminy: Tsia, fa NY TOMPO efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan’i Moaba.
14
Dia hoy i Elisa: Raha velona koa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay tompoiko, raha tsy noho ny fanajako an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
15
Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga dia nanindry an’i Elisa ny tanan’NY TOMPO.
16
Ary hoy izy: Izao no lazain’NY TOMPO: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity!
17
Fa hoy NY TOMPO: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
18
Ho zavatra kely ihany eo imason’NY TOMPO izany, fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19
Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna lehibe rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra sady hanipy vato amin’ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20
Nony maraina, tokony ho tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ny lalana mankany Edoma ka feno rano ny tany.
21
Nony ren’ny Moabita rehetra fa tamy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo dia nivory izy, hatramin’izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, dia niandry teo amin’ny sisintaniny.
22
Ary nony nifoha vao maraina ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny ra.
23
Dia hoy izy: Ra io! Efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo ary efa nifamely izy rehetra; koa baboy amin’izao, ry Moaba!
24
Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ny Israely izy dia nitsangana ny Israely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa niditra hatrany amin’ny tanin’ny Moabita ny Israely ka mbola namely azy ihany.
25
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra. Nony farany, tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-Haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26
Rehefa hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tohany ny ady dia nitondra fitonjato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edoma, nefa tsy afaka izy ireo.
27
Dia nalainy ny zanany lahimatoa izay natao hanjaka handimby azy ka natolony ho fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny manda. Dia niharan’ny fahatezerana mafy ny Israely ka niala taminy ary niverina ho any amin’ny taniny.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25