bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 6
2 Kings 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 7 →
1
Hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
2
Miangavy anao izahay, aoka izahay hankany Jordana ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy i Elisa: Mandehana ary!
3
Fa hoy ny iray: Miangavy anao aho, aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao ho any koa ianao! Dia namaly izy hoe: Eny ary, handeha aho!
4
Dia niaraka taminy izy ka nony tonga tany Jordana ireo dia nikapa hazo.
5
Rehefa nikapa hazo anefa ny iray dia latsaka tany anaty rano ny lelam-pamaky ka nitaraina izy hoe: Indrisy, tompoko, zavatra nindramina ange iny e!
6
Ary hoy ny lehilahin’Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary nanapaka hazo i Elisa ka natsipiny teo dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky.
7
Ary hoy izy: Raiso! Dia narosony ny tanany ka noraisiny.
8
Ary ny mpanjakan’i Arama dia niady tamin’ny Israely ka nidinika niaraka tamin’ny mpanompony izy ary niteny hoe: Any Ananona no hitobiako.
9
Ary ny lehilahin’Andriamanitra kosa nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’ny Israely hilaza hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ny Arameana.
10
Ary ny mpanjakan’ny Israely nandefa iraka tany amin’izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra taminy; nampitandrina azy izy ka nametraka mpiambina tany; tsy indray mandeha ihany na indroa akory aza no nitrangan’izany.
11
Dia sosotra indrindra ny mpanjakan’i Arama noho izany zavatra izany. Koa niantso ny mpanompony izy ary niteny taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay olona eto amintsika miandany amin’ny mpanjakan’ny Israely?
12
Ary hoy ny mpanompony iray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko! Fa i Elisa mpaminany ao amin’ny Israely ihany no milaza amin’ny mpanjakan’ny Israely na dia izay teny lazainao ao amin’ny efitrano fandrianao aza.
13
Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, zahao izay itoerany mba handefasako iraka hisambotra azy. Dia nolazaina taminy hoe: Indro, any Dotana izy.
14
Dia nampandeha soavaly sy kalesy fitondra miady ary miaramila maro ho any izy; tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
15
Nony nifoha vao maraina ny zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra ka nivoaka ny trano, dia indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy fitondra miady manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana ny hataontsika?
16
Hoy i Elisa: Aza matahotra, fa ny momba antsika dia maro noho ny momba azy.
17
Ary i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany! Ary NY TOMPO nampahiratra ny mason’ilay zatovo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo fitondra miady manodidina an’i Elisa.
18
Dia nidina nankeny amin’i Elisa ireo. Ary i Elisa dia nivavaka tamin’NY TOMPO hoe: Mifona aminao aho, ataovy jamba ireto olona ireto! Dia nataony jamba ireo araka ny tenin’i Elisa.
19
Ary hoy i Elisa tamin’ireo: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna! Fa manaraha ahy ianareo dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho! Dia noentiny nankany Samaria ireo.
20
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo dia hoy i Elisa: TOMPO ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahita izy! Ary NY TOMPO nampahiratra ny masony dia hitany fa indro, tao afovoan’i Samaria izy.
21
Nony nahita azy ireo ny mpanjakan’ny Israely dia niteny tamin’i Elisa hoe: Ry Ikaky ô, hovonoiko va izy ireo? Hovonoiko va izy ireo?
22
Fa hoy izy hoe: Aza vonoinao izy; moa hovonoinao va izay nobaboinao tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny, ary aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.
23
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo dia nampandehaniny ka nankany amin’ny tompony. Koa tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny mpihantsy adin’i Arama.
24
Nony afaka izany dia namory ny miaramilany rehetra i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, dia niakatra ary nanao fahirano an’i Samaria.
25
Dia nisy mosary mafy tany Samaria. Mafy ny fahirano ka loham-boriky iray aza dia lafo sekela valopolo, ary taim-boromailala ampahefatry ny kaba dia nosandaina sekela dimy.
26
Ary raha nandalo teny ambonin’ny manda ny mpanjakan’ny Israely dia nisy vehivavy iray nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô!
27
Hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’NY TOMPO ianao, avy aiza no hamonjeko anao? Avy amin’ny famoloana va, sa avy amin’ny famiazam-boaloboka?
28
Hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Namaly Ravehivavy hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso!
29
Koa nahandroinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso dia hoy aho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika! Kanjo nafeniny ny zanany.
30
Nony nandre ny tenin-dRavehivavy ny mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany. Ary nandalo teny ambonin’ny manda izy ka hitan’ny olona fa indro, lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
31
Dia hoy izy: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’i Elisa, zanak’i Safata!
32
Fa nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary nipetraka teo akaikiny ny loholona. Ary ny mpanjaka dia nandefa iraka nialoha lalana azy. Raha tsy mbola tonga tany amin’i Elisa anefa iny iraka iny dia hoy izy tamin’ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Jereo, fa rehefa avy ny iraka dia arindrino ny varavarana ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aorianany koa va ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony?
33
Raha mbola niresaka taminy izy dia indro, nidina nankao aminy ny iraka ka niteny hoe: Indro, izao loza izao dia avy amin’NY TOMPO! Koa inona intsony no anantenako NY TOMPO?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25