bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 25
2 Kings 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
1
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nitoby tandrifiny; ary nanangana tovon-tany manodidina azy izy.
2
Nataony fahirano hatramin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia mpanjaka ny tanàna.
3
Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina intsony ho an’ny vahoaka.
4
Ary nisy voabanga ny tanàna ka nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ny lalana nankany amin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana dia nanodidina ny tanàna. Ary nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana ny mpanjaka.
5
Nanenjika ny mpanjaka anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra azy teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia niparitaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
6
Voasambotra ny mpanjaka ka noentina niakatra ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla ary notsaraina tao.
7
Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoiny teo imason’ny rainy, ny mason’i Zedekia kosa nopotsiriny ary nafatony tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona.
8
Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona,
9
ka nandoro ny tranon’NY TOMPO sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tany Jerosalema. Ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ny afo avokoa.
10
Ary ny manda manodidina an’i Jerosalema dia noravan’ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay nanaraka ny lehiben’ny mpiambina.
11
Izay olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona ary ny vahoaka betsaka sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa.
12
Fa ny olona madinika kosa dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
13
Ireo andry varahina tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoeran’ny koveta ary ny koveta varahina lehibe izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO dia notorotoroin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina.
14
Noentiny koa ny vilany fandraofan-davenona, ny sotron’afo, ny antsy, ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay noentina nanaovana ny fanompoam-pivavahana.
15
Noentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana; na ny volamena na ny volafotsy dia samy noentin’ny lehiben’ny mpiambina avokoa.
16
Ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ireo fitoeran’ny koveta izay nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO, ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita pesipesenina ny lanjany.
17
Valo amby folo hakiho ny haavon’ny andry iray, ary varahina ny lohany sady telo hakiho ny haavony; varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin’ny lohany manodidina; tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato.
18
Ary ny lehiben’ny mpiambina dia nisambotra an’i Seraia mpisoronabe sy i Zefania, mpisorona manarakaraka azy, ny mpiandry varavarana telo lahy;
19
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila dimy lahy tamin’izay mpitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpitantsoratry ny mpitarika ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy enimpolo lahy avy amin’ny vahoaka, izay hitany tao an-tanàna;
20
nosamborin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ireo ka noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla.
21
Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla any amin’ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.
22
Fa ny amin’ny olona izay sisa tany amin’ny tanin’ny Joda, izay navelan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
23
Nony ren’ny mpitari-tafika rehetra mbamin’ny olom-peheziny avy fa i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho mpanapaka, dia nandeha nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo, dia: Ismaela, zanak’i Netania, i Johanana, zanak’i Karea, i Seraia, zanak’i Tanometa netofatita, ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
24
Ary nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalia hoe: Aza matahotra ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeana, fa mitomoera amin’ny tany, ary manompoa ny mpanjakan’i Babilona, fa izany no hahasoa anareo.
25
Tamin’ny volana fahafito anefa dia avy Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, isan’ny fianakavian’ny mpanjaka, mbamin’ny olona folo lahy ka namely an’i Gedalia ary nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
26
Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin’ny mpitarika ny miaramila, nankany Ejipta, satria natahotra ny Kaldeana.
27
Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, dia nasandratr’i Evila-Merodaka hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona voalohany nanjakany.
28
Dia nitenenany soa izy ka ny sezafiandrianany dia nataony ambony noho ny sezafiandrianan’ireo mpanjaka namany tao Babilona.
29
Nasainy novana ny fitafiana naha mpifatotra azy dia nisakafo teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ny andro rehetra niainany.
30
Ny anjara sakafony dia niantohan’ny mpanjaka, tsy tapaka, isanandro isanandro tamin’ny andro rehetra niainany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25