bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 13
2 Kings 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 14 →
1
Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy, zanak’i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joahaza, zanak’i Jeho, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria, ary nanjaka fito amby folo taona izy.
2
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy; nanaraka ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely izy fa tsy niala tamin’izany.
3
Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nandritra ny andro dia natolony teo an-tanan’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, sy teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, izy.
4
Ary nifona tamin’NY TOMPO i Joahaza ka nohenoin’NY TOMPO, satria hitany ny fahorian’ny Israely, fa nampahory azy ny mpanjakan’i Arama.
5
Ary NY TOMPO nanome mpamonjy ho amin’ny Israely ka afaka tamin’ny tanan’ny Arameana izy ary nonina tao an-dainy toy ny teo aloha ny Zanak’Israely.
6
Kanefa tsy niala tamin’ny fahotan’ny taranak’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, izy fa nandeha tamin’izany ihany, ary na dia ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
7
Tsy nisy sisa navelan’NY TOMPO ho an’i Joahaza afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy fitondra miady folo ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny; fa ny mpanjakan’i Arama dia efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8
Ny tantaran’i Joahaza sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
9
Ary nodimandry any amin’ny razany i Joahaza dia nalevina tao Samaria ka i Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
10
Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanjakan’i Joasy, mpanjakan’ny Joda, no nanombohan’i Joasy, zanak’i Joahaza, nanjaka tamin’ny Israely tany Samaria; nanjaka enina amby folo taona izy.
11
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy fa tsy niala tamin’ny fahotana rehetra izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely, fa nandeha tamin’izany ihany.
12
Ny tantaran’i Joasy sisa mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
13
Ary nodimandry any amin’ny razany i Joasy ka i Jeroboama no nipetraka tamin’ny sezafiandrianany. Ary i Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ny mpanjakan’ny Israely.
14
Rehefa voan’ny aretina izay hahafaty azy i Elisa dia nidina nankany aminy i Joasy mpanjakan’ny Israely ka niondrika nitomany teo ambonin’ny tavany sady niteny hoe: Ry Ikaky ô! Ry Ikaky ô! E ny kalesy fitondra miady an’ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15
Hoy i Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka! Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16
Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Henjano ny tsipìka! Dia nohenjaniny izany. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny tanan’ny mpanjaka i Elisa
17
ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana! Dia novohany izany. Hoy i Elisa: Alefaso! Dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ny famonjen’NY TOMPO, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hahavoa ny Arameana! Fa hamely ny Arameana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
18
Hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka! Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Kapohy ny tany! Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19
Ary tezitra taminy ny lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Arameana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Arameana.
20
Dia maty i Elisa ka nalevina. Tamin’izany fotoana izany dia nananika ny tany isan-taona ny mpihantsy adin’ny Moabita.
21
Ary nisy mpandevina nahita ireo mpihantsy ady ireo ka natsipiny tao am-pasan’i Elisa ny faty haleviny; nefa raha vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisa ny fatin-dRalehilahy dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony.
22
Ary i Hazaela, mpanjakan’i Arama, dia nampahory ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Joahaza.
23
Fa NY TOMPO namindra fo tamin’ny Israely sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; tsy ta handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny Izy.
24
Ary maty i Hazaela, mpanjakan’i Arama, ka i Beny-Hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25
Nalain’i Joasy, zanak’i Joahaza, teo an-tanan’i Beny-Hadada, zanak’i Hazaela, indray ireo tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Joahaza, rain’i Joasy, tamin’ny ady. Intelo no nandresen’i Joasy azy ka azony indray ireo tanànan’ny Israely.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25