bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Kings 17
2 Kings 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 18 →
1
Tamin’ny taona faharoa amby folo nanjakan’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda, no nanomboka nanjaka tamin’ny Israely tao Samaria i Hosea, zanak’i Elaha; nanjaka sivy taona izy.
2
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon’ireo mpanjakan’ny Israely teo alohany.
3
Niakatra hanafika azy i Salmanesera, mpanjakan’i Asiria, ka tonga mpanompony nandoa hetra ho azy i Hosea.
4
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nahita fa nanao tetika fikomiana i Hosea, satria nandefa iraka tany amin’i So, mpanjakan’i Ejipta, izy, sady tsy nampiakatra ny hetra ho an’ny mpanjakan’i Asiria tahaka ny fanaony isan-taona intsony. Koa nanidy azy sy namatotra azy tao an-tranomaizina ny mpanjakan’i Asiria.
5
Avy eo dia niakatra izy ka nanenika ny tany; niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy nandritra ny telo taona.
6
Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria, dia nalefany ho babo tany Asiria ny Israely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’i Habora na ny onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana.
7
Ny nahatongavan’izany dia noho ny nanotan’ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka nanafaka azy tamin’ny tanan’ny farao, mpanjakan’i Ejipta, satria natahotra izay andriamanitra hafa izy.
8
Nandeha araka ny fanaon’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely izy, sy araka izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely.
9
Fa ny Zanak’Israely dia nanao zavatra miafina izay tsy tokony hatao, izay nanoherany NY TOMPO Andriamaniny. Nanorina toerana fanaovana sorona teny amin’ny tanànany rehetra izy, hatreny amin’ny tilikambo fitilian’ny mpiambina ka hatreny amin’ny tanàna mimanda.
10
Nanangana tsangambaton-tsampy sy tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teny amin’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy,
11
ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona rehetra, tahaka ny nataon’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nahatezitra NY TOMPO,
12
ary nanompo ny sampy izay nandraran’NY TOMPO azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’NY TOMPO nananatra ny Israely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo, ary tandremo ny lalànako sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho eo aminareo.
14
Kanefa tsy nihaino izy fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany izay tsy nino NY TOMPO Andriamaniny.
15
Nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teny vavolombelony izay nananarany azy. Nandeha nanaraka ny zava-poana izy ka tonga zava-poana koa ary nanaraka ny Jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’NY TOMPO mba tsy halainy tahaka.
16
Nahafoy ny didin’NY TOMPO Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra voarendrika, dia ombilahy kely roa, ary nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ary nanompo ny Baala.
17
Nampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo izy sady nanao ody sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ka nahatezitra Azy.
18
Dia tezitra indrindra tamin’ny Israely NY TOMPO ka noesoriny tsy ho eo imasony izy ary tsy nisy tavela afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.
19
Na ny Joda koa aza dia tsy mba nitandrina ny didin’NY TOMPO Andriamaniny fa nandeha araka izay rehetra nataon’ny Israely koa.
20
Dia narian’NY TOMPO ny taranak’Israely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tanan’ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21
Fa nendahany niala tamin’ny taranak’i Davida ny Israely; ary ny olona no nampanjaka an’i Jeroboama, zanak’i Nebata, nefa i Jeroboama dia nampiala ny Israely tsy hanaraka NY TOMPO ka nampanao fahotana be azy.
22
Koa nandeha tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny Zanak’Israely fa tsy niala tamin’izany,
23
hany ka noesorin’NY TOMPO tsy ho eo anatrehany ny Israely, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Dia lasan-ko babo niala tamin’ny taniny ho any Asiria ny Israely ary mbola any mandraka androany.
24
Ary ny mpanjakan’i Asiria dia nitondra olona avy tany Babilona, Kota, Ava, Hamata ary Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ny tanànan’i Samaria hisolo ny Zanak’Israely. Dia nandray an’i Samaria ho fananany ireny ka nitoetra teny amin’ny tanànany.
25
Rehefa nanomboka nonina tao izy ireny dia tsy natahotra NY TOMPO, ary NY TOMPO kosa nampandeha liona hamely azy ka nahafaty maro taminy ireny.
26
Dia hoy ny olona tamin’ny mpanjakan’i Asiria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin’ny tanànan’i Samaria dia tsy mahalala izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any, koa dia nampandeha liona hamely azy Izy; ary indro, nahafaty olona maro ireny noho ny tsy fahalalany ny fomba fanajana ny Andriamanitry ny tany.
27
Ary nandidy azy ny mpanjakan’i Asiria hoe: Iraho ho any ny iray amin’ireo mpisorona izay noentinareo ho babo avy tany; aoka izy handeha ka hitoetra any, ary aoka izy hampianatra azy ireo izay tokony hatao amin’ny Andriamanitry ny tany any.
28
Dia tonga ny mpisorona iray avy tamin’izay noentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela dia nampianatra azy izay fahatahorana NY TOMPO.
29
Kanefa ny isam-pirenena dia mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona izay nataon’ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao andriamanitra tao amin’ny tanàna nitoerany avy.
30
Koa ny olona avy any Babilona dia nanao an’i Sokota-Benota; ny olona avy any Kota dia nanao an’i Nergala; ny olona avy any Hamata nanao an’i Asima;
31
ny Avita nanao an’i Nibaza sy i Tartaka; ny Sefarvita dia nandoro ny zanany tamin’ny afo ho an’i Adrameleka sy i Anameleka, andriamanitr’i Sefarvaima.
32
Koa satria natahotra NY TOMPO koa ny olona dia nanendry olona avy tao anaty vahoaka ho mpisorona tamin’ireo toerana fanaovana sorona izy, ary ireny no nisolo ny vahoaka nanolotra fanatitra tany amin’ny trano teny amin’ny toerana fanaovana sorona.
33
NY TOMPO dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon’ny firenena izay nanalana azy avy.
34
Mandraka androany dia mbola manao ny fanaony teo ihany izy: Tsy dia matahotra NY TOMPO, ary tsy dia manao ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian’NY TOMPO ny taranak’i Jakoba izay nantsoiny hoe Israely
35
sady nanaovany fanekena sy nomeny didy hoe: Aza matahotra izay andriamanitra hafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na mamono zavatra ho fanatitra ho azy;
36
fa NY TOMPO, izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta tamin’ny hery lehibe sy ny sandry natsotra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra ho fanatitra;
37
fa ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; aza matahotra izay andriamanitra hafa;
38
ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamanitra hafa ianareo;
39
fa NY TOMPO Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo rehetra.
40
Nefa tsy nety nihaino izy fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
41
Koa natahotra NY TOMPO ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin’ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon’ny razany ihany no nataon’ireny mandraka androany.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25