bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 10
Job 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 11 →
1
Maharikoriko ahy ny aiko! Hamoaka ny fitarainako aho ary hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.
2
Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: Aza manameloka ahy! Mba ampahalalao ahy izay anton’ny iadianao amiko!
3
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaran’ny tananao ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy Ianao?
4
Manana maso nofo va Ianao na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona?
5
Tahaka ny andron’ny zanak’olombelona va ny andronao na tahaka ny taonan’ny olombelona va ny taonanao
6
no dia mikaroka izay heloko Ianao ary mikatsaka izay fahotako,
7
na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao?
8
Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao!
9
Miangavy Anao aho, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, koa hamerina ahy amin’ny vovoka indray va Ianao!
10
Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny rononomandry?
11
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ny taolana sy ny ozatra.
12
Aina sy famindrampo no nomenao ahy ary ny fiahianao no niaro ny fofonaiko.
13
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao; eny, fantatro fa tao Aminao izao:
14
Raha manota aho dia mamantatra ahy Ianao ka tsy manafaka ahy amin’ny heloko.
15
Raha meloka aho dia lozako! Ary na dia marina aza aho dia tsy ho sahy miandrandra satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16
Fa raha sahy miandrandra aho dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Ianao ary hiverina indray Ianao ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Ianao ary hampitombo ny fahatezeranao amiko; fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18
Koa nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Ianao? Fa raha tsy izany dia ho niala aina aho ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory,
19
ary efa toy ny tsy ary aho ka noentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20
Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Ianao, mihataha mba hakako aina kely,
21
dieny tsy mbola lasa ka tsy hiverina intsony aho, dia ho any amin’ny tanin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22
ho any amin’ny tany maizim-pito, dia ny an’ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana sady maizim-pito ny famirapiratana any!
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42