bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 31
Job 31
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
1
Efa nampanekeko ny masoko, koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
2
Fa raha izany dia inona no anjara avy amin’Andriamanitra any ambony, sy lova avy amin’ny Tsitoha any amin’ny avo?
3
Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy loza va no mahazo ny mpanao ratsy?
4
Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
5
Moa va nandeha tamin’ny fitaka aho na niezaka tamin’ny hafetsena?
6
Enga anie ka holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana tsy mandainga aho dia ho fantany ny tsy fananako tsiny!
7
Raha toa ka nivily niala tamin’ny lalana ny diako na nanaraka ny masoko ny foko na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako
8
dia aoka hamafy aho fa olon-kafa no hihinana ary aoka hofongotra izay namboleko!
9
Raha toa ka adala tamin’ny vadin’olona ny foko ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho
10
dia aoka kosa ny vadiko hanodina fikosoham-bary ho an’ny sasany ary aoka ho olon-kafa no handry aminy!
11
Fa fahavetavetana izany; eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara;
12
fa afo mandevona hatrany amin’ny tanin’ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13
Raha toa ka nandà ny rariny izay an’ny mpanompolahiko na ny mpanompovaviko aho, raha nifamaly tamiko izy,
14
dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy raha handinika ny raharaha Izy?
15
Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy ireny koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16
Raha toa ka nandà izay nirin’ny mahantra aho ka namela ny mason’ny mpitondratena hijery foana
17
na nihinana ny sombin-kaniko irery ka tsy mba nanome izay anjaran’ny kamboty,
18
nefa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho no nitaiza azy ireny toy ny ray, ary vao nivoaka ny kibon’ny reniko aho no efa nitari-dalana ny mpitondratena;
19
fa raha toa ka nahita olona efa ho faty noho ny tsy fananana akanjo aho na mahantra tsy manana firakotra,
20
moa tsy ho nisaotra ahy va izy satria nafana ny lamosiny ary nanafana azy ny volon’ondriko?
21
Raha toa ka nanatsotra ny tanako hampahory ny kamboty aho satria hitako fa nisy niandany tamiko teo amin’ny fitsarana
22
dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny soroko; eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko.
23
Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’Andriamanitra ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
24
Raha toa ka nanao ny volamena ho fanantenako aho na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25
raha toa ka nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tanako harena betsaka aho,
26
raha toa ka nijery ny masoandro raha izy namirapiratra iny aho, na ny volana raha izy nandeha tamin’ny fangarangarany iny,
27
ka voafitaka mangingina ny foko ary nanoroka ny tanako ny vavako,
28
dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra any ambony aho.
29
Raha toa ka nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy aho na nibitabitaka raha nozoim-pahoriana izy,
30
tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako ka hangataka ozona hanjo azy;
31
moa va tsy niteny ny tao an-daiko hoe: Iza moa no olona tsy novokisany hena?
32
Ny vahiny aza dia tsy nandry teny alatrano fa novohako ny varavarako ho an’ny mpandeha.
33
Raha toa ka nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama aho ka nanafina ny heloko tato am-paosiko
34
satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka marobe ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ny mpiaramonina ka namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana.
35
Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ilay manana ady amiko!
36
Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary havonako amiko ho satroboninahitra.
37
Ny isan’ny diako dia hambarako Aminy ary tahaka ny fanatonan’ny zanak’andriana no hanatonako Azy.
38
Raha toa ka mitaraina hiampanga ahy ny taniko ka miara-mitomany ny vavaasako,
39
raha toa ka nihinana ny vokatra aho nefa tsy nandoa ny vidiny, na nanao izay hahafaty ny ain’ny tompony,
40
dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha ary ny ahi-dratsy hisolo ny orza! Tapitra ny tenin’i Joba.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42