bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 20
Job 20
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 21 →
1
Dia nandray fitenenana i Zofara namatita hoe:
2
Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro; eny, noho ny fihetsiketsehana ato anatiko.
3
Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy ary ny fanahiko dia mamaly ahy avy amin’ny fahalalako.
4
Tsy fantatrao va fa hatry ny ela; eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ny tany
5
dia vetivety foana ny firavoravoan’ny ratsy fanahy ary indray mipy maso monja ny fifalian’ny mpihatsaravelatsihy?
6
Fa na dia mipaka amin’ny lanitra aza ny haavony ka mitehika amin’ny rahona ny lohany
7
dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; ary izay nahafantatra azy dia hilaza hoe: Aiza izy?
8
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ny alina izy.
9
Ny maso izay mijery dia indray mitopy ihany no ahitany azy ary tsy hahita azy intsony ny fonenany.
10
Ny zanany no hamerin-trosa amin’ny malahelo ary ny tanany ihany no hampody ny harena nangoniny.
11
Ny taolany dia feno ny herin’ny fahatanorana, nefa hiara-mandry aminy ao amin’ny vovoka izany.
12
Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy ka afeniny ao ambanin’ny lelany,
13
ary tsitsiny ka tsy foiny fa tehiriziny ao amin’ny lanilaniny ihany,
14
dia hiova ao an-kibony ny haniny, ka aferon’ny menarana no ho ao anatiny.
15
Harena no nateliny nefa haloany indray; loaran’Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16
Ny poizin’ny menarana no tsetsefiny; hahafaty azy ny lelan’ny menarana.
17
Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18
Tsy azony atelina izay nikelezany aina fa tsy maintsy hampodiny; na dia be aza ny hareny dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19
Efa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny fa tsy mba nanangana.
20
Tsy mahalala mionona ny kibony ka tsy mamela na inona na inona tsy ho azony amin’izay notsiriritiny.
21
Tsy misy tsy tratry ny fitiavany harena tafahoatra ka tsy haharitra ny fiadanany.
22
Ho poriporitra izy na dia mihoa-pampana aza ny fananany; ny fahoriana no hamely azy amin’ny heriny rehetra.
23
Halefan’Andriamanitra hameno ny kibony ny fahatezerany mirehitra; eny, halatsany aminy toy ny ranonorana hatrany amin’ny tsinainy izany.
24
Raha mandositra ny vy fiadiana izy dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25
tsoahany izany ka mivoaka avy amin’ny tenany; eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ny atiny; tamy manatona azy ny fahatahorana mafy.
26
Ny haizim-pito rehetra no voatahiry ho an’ny rakitra soa sarobidiny; afo tsy nisy nandrehitra no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ny tranolainy.
27
Hambaran’ny lanitra ny helony ary hitsangana hiampanga azy ny tany,
28
ho voapaoka ny harena tafiditra ao an-tranony; eny, ho levona izany amin’ny andron’ny fahatezeran’Andriamanitra.
29
Izany no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy!
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42