bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 38
Job 38
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 39 →
1
Avy tao anatin’ny tafio-drivotra NY TOMPO no namaly an’i Joba hoe:
2
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana?
3
Misikìna ary tahaka ny lehilahy fa hanadina anao Aho ka valio.
4
Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao.
5
Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy?
6
Teo ambonin’ny inona no nanorenana ny andriny ary iza no nandatsaka ny vato fehizorony,
7
raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
8
Iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9
raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny haizim-pito ho fonony,
10
ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11
ka niteny hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra azy ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12
Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro
13
mba handraisany ny sisin’ny tany ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14
Dia miova tahaka ny tanimanga fanaovana fitombo-kase ny endriny ka miseho tahaka ny lamba misoratra.
15
Hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
17
Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana?
18
Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany? Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany.
19
Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza ny fitoeran’ny maizina
20
mba hitsenanao azy any amin’ny faran’ny alehany satria fantatrao ny lalana ho any an-tranony?
21
Eny, fantatrao mantsy izany satria efa teraka ianao tamin’izay ary maro ny isan’ny andronao!
22
Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao? Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra
23
izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24
Aiza moa no lalana izarazaran’ny mazava sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany?
25
Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be sy lalan-kaleha ho an’ny tselatra sy kotrokorana
26
mba hilatsahan’ny ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny tany efitra tsy misy mponina
27
ka hahavonto ny tany ngazana sy ny tany foana ary hampitsimoka ny ahitra sy hampaniry azy?
28
Manana ray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranonando?
29
Kibon’iza moa no niavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?
30
Tonga mafy toy ny vato ny rano ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina.
31
Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao na mahavaha ny fatoran’ny Telonohorefy?
32
Mahavoaka ireo vondron-kintana amin’ny fotoanany va ianao? Ary mahatondra an’i Bera mbamin’ny zanany va ianao?
33
Fantatrao va ny lalàna eny amin’ny lanitra? Ary mahafehy ny fanapahan’ireny etỳ an-tany va ianao?
34
Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35
Mahay mandefa ny tselatra va ianao ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36
Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
37
Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mampitongilana ny fitoeran-dranon’ny lanitra
38
ka mitambatra ho dilatra ny vovoka ary mivongana ho bainga?
39
Mahay mihaza remby ho an’ny liom-bavy va ianao ary mahafaka ny hanoanan’ny liona tanora
40
raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala?
41
Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42