bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 12
Job 12
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 13 →
1
Dia namaly i Joba hoe:
2
Marina ary fa ianareo ihany tokoa no olombelona ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3
Kanefa izaho dia mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; tsy latsaka noho ianareo aho; fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4
Tonga fihomehezan’ny sakaizako aho, dia izaho izay niantso an’Andriamanitra ka novaliny; eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5
Latsa no anjaran’ny ozoim-pahoriana! Izany no hevitry ny olo-miadana; eny, efa vonona ho an’izay mangozohozo izany.
6
Mandry fehizay ny tranolain’ny mpitohatoha ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’Andriamanitra; eny, izay mihazona an’Andriamaniny eo an-tanany.
7
Kanefa anontanio ange ny biby fa hampianatra anao izy ary ny voromanidina fa hanambara aminao izy;
8
makà saina amin’ny tany dia hampianatra anao izy; ary ny hazandrano any an-dranomasina no hampahafantatra anao.
9
Iza no tsy mahalala raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’NY TOMPO
10
izay mitana ny ain’ny zavamananaina rehetra sy ny fofonain’ny olombelona rehetra?
11
Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12
Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena ary ny fahelavelona no ahazoam-pahalalana.
13
Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery. Izy no manana fanoloran-tsaina sy fahalalana.
14
Indro, izay ravany dia tsy hatsangana intsony; izay olona hidìny dia tsy hovohana.
15
Indro, mihazona ny rano Izy dia ritra iny ary alefany indray ka manimba ny tany.
16
Izy no manana hery sy tena fahendrena; samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17
Alàny voninahitra ny mpanolotsaina ary ataony very saina ny mpitsara.
18
Vahàny ny fanapahan’ny mpanjaka ka sikina no ampanaoviny azy.
19
Alàny voninahitra ny mpisorona ary azerany ny mafy orina hatry ny ela.
20
Koroiny ny lahatenin’ny mahay ary esoriny ny hazavan-tsain’ny zokiolona.
21
Mandrotsaka fandatsana amin’ny andriandahy Izy ary mampiketraka ny fehikibon’ny matanjaka.
22
Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ny mazava.
23
Mahalehibe ny firenena Izy nefa mandringana azy koa; mampihahaka ny firenena Izy nefa mitondra azy hody indray.
24
Mahavery saina ny loholona amin’ny tany Izy ary mampirenireny azy any amin’ny tany efitra tsy misy lalana;
25
mitsapatsapa amin’ny maizina tsy misy mavaza ireo ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42