bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 13
Job 13
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
1
Indro izany rehetra izany dia efa hitan’ny masoko ary efa ren’ny sofiko ka azony.
2
Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3
Kanefa raha izaho dia ny Tsitoha no tiako hitenenana ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4
Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga, mpitsabo tsy mahomby ianareo rehetra.
5
Raha mba nangina tanteraka ianareo dia ho fahendrenareo izany!
6
Miangavy anareo aho, henoy ny anatro ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7
Hanao teny tsy marina hoenti-manamarina an’Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8
Hiangatra va ianareo ka hiandany Aminy? Handaha-teny ho an’Andriamanitra va ianareo?
9
Ho tsara aminareo va raha mandinika anareo Izy? Sa ho azonareo fitahina ohatra ny famitaka zanak’olombelona va Izy?
10
Hanameloka anareo mihitsy Izy raha miangatra ao amin’ny mangingina ianareo.
11
Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hianjera aminareo va ny fahatahorana Azy?
12
Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13
Mangìna ka mialà amiko ianareo! Fa mba hiteny aho, koa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
14
Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko aho ka hanaovako ny aiko tsy ho zavatra?
15
Na dia hamono ahy aza Izy dia mbola hanantena Azy ihany aho, kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
16
Ary izany no ho famonjena ahy satria ny mpihatsaravelatsihy dia tsy ho sahy hankeo anatrehany.
17
Henoy tsara ny teniko ary aoka ho ren’ny sofinareo ny fanazavako.
18
Indro, efa nalahatro ny adiko; fantatro fa hanan-drariny aho.
19
Iza no hifandahatra amiko? Fa izao dia hangina aho ka hiala aina.
20
Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko dia tsy hiery Anao aho:
21
Esory lavitra ahy ny tananao ary aoka tsy hampihorohoro ahy ny fampitahorana avy Aminao.
22
Dia miantsoa fa hamaly aho; na izaho no hiteny dia Ianao no hamaly ahy.
23
Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahafantaro ahy izay fikomiako sy izay fahotako.
24
Nahoana no manafina ny tavanao Ianao ka manao ahy ho fahavalonao?
25
Moa izay ravin-kazo indaosin’ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26
Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy ka ampanodiavinao ahy ny heloky ny fahatanorako.
27
Mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Ianao ary mitsongo ny diako rehetra sady alainao marika ny dian-tongotro.
28
Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra lanin’ny fositra; eny, tahaka ny akanjo lanin’ny koroka.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42