bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 36
Job 36
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 37 →
1
Mbola nandroso niteny ihany i Eliho hoe:
2
Mahareta kely amiko dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra.
3
Halaiko avy lavitra ny fahalalako ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
4
Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao!
5
Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga; lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy.
6
Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy fa manome rariny ho an’ny ory.
7
Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy. Ny amin’ny mpanjaka dia ambonin’ny sezafiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay ka tafasandratra izy.
8
Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy ireny sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana
9
dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany raha manandra-tena izy.
10
Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy ireny hibebaka hiala amin’ny ratsy.
11
Raha mihaino ka manaiky Azy izy dia lany amin’ny fiadanana ny androny ary ny taonany dia amin’ny fahafinaretana.
12
Fa raha tsy mihaino kosa izy dia ho voatifitry ny lefona ka ho faty ao amin’ny tsy fahalalana.
13
Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; tsy mitaraina izy na dia afatony aza;
14
maty tanora izy; eny, afaka aina eo amin’ny mpijangajanga.
15
Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
16
Ary ianao koa aza dia sarihiny hiala tao amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka tsy misy manembantsembana ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao.
17
Raha mitsara ny adin’ny ratsy fanahy ianao dia aoka hazonina ny rariny sy ny hitsiny;
18
aoka tsy hampirisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana ary aoka tsy hampivily saina anao ny haben’ny kolikoly!
19
Moa hahafaka anao amin’ny fahoriana va ny fitarainanao, na izay rehetra tratry ny hery sy tanjakao?
20
Aza irinao ny hiavian’ny alina izay ampialana ny olona amin’ny fitoerany.
21
Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy, fa saingy ozoim-pahoriana ianao dia mifidy izany.
22
Indro Andriamanitra dia misandratra amin’ny heriny; iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
23
Iza no nandidy Azy tamin’izay lalan-kalehany? Ary iza no afaka hilaza Aminy hoe: Nanao ratsy Ianao?
24
Tsarovy ny hankalaza ny asany izay efa nataon’ny olona an-kira.
25
Mandinika izany ny olona rehetra ary mijery izany eny lavitra eny ny zanak’olombelona.
26
Indro, lehibe Andriamanitra ka tsy takatry ny saintsika Izy; tsy hita isa ny taonany.
27
Fa manintona ny rano Izy dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany
28
ary aidin’ny rahona izany ka alatsany amin’ny olona maro be.
29
Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30
Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ny ranomasina ho firakofany.
31
Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
32
Mifono fahazavana ny tanany ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony.
33
Ny fikotrokotrony dia manambara Azy ary ny omby aman’ondry koa aza dia milaza ny hiaviany.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42